Hijery ny anatiny

Namely ny sisin-tanin’i Mozambika ilay rivo-doza Chalane

13 JANOARY 2021
MOZAMBIKA

Nandravarava An’i Mozambika ny Rivo-doza Chalane

Nandravarava An’i Mozambika ny Rivo-doza Chalane

Toerana

Faritr’i Sofala sy Manica any Mozambika Afovoany. Tratrany koa ireo toerana nandalovan’ny Rivo-doza Idai, tamin’ny Martsa 2019.

Zava-nitranga

  • Namely ny sisin-tanin’i Mozambika ny Rivo-doza Chalane, tamin’ny 30 Desambra 2020. Be dia be ny zavatra simba vokatry ny tondra-drano sy ny tany nihotsaka.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory telo no naratra

Zavatra simba

  • Trano 34 no nisy simba kely

  • Trano 12 no simba be

  • Trano 16 no rava tanteraka

  • Efitrano Fanjakana 7 no nisy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 4 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 1 no rava tanteraka

Fanampiana Tra-boina

  • Notendrena ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mba hikarakara ny fanampiana teo an-toerana. Nikarakara izay hipetrahan’ireo mpitory nanana trano potika koa ilay komity. Manaraka tsara ny toromarika mifandray amin’ny COVID-19 izy ireo rehefa manao an’izany

Mivavaka foana amin’i Jehovah isika mba hampiany ireo rahalahy sy anabavy tratran’iny rivo-doza iny.—Salamo 121:2.