Hijery ny anatiny

Avy eny ambony dia mihodina miankavanana: Efitrano Fanjakana simba tany Chipangara; Efitrano Fanjakana simba tany Muxungue; tondra-drano tany amin’ny faritanin’i Sofala

9 FEBROARY 2021
MOZAMBIKA

Nandravarava An’i Mozambika ny Sikilaonina Eloise

Nandravarava An’i Mozambika ny Sikilaonina Eloise

Toerana

Faritanin’i Gaza, Inhambane, Manica, Sofala, ary Zambezia

Zava-nitranga

  • Nisy rivo-mahery sy orana nivatravatra namely faritany dimy, tany Mozambika, tamin’ny 23 Janoary 2021, ka nanimba zavatra be dia be tany

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • 3 ny mpitory naratra

  • 13 ny mpitory nafindra toerana

Zavatra simba

  • 9 ny Efitrano Fanjakana nisy simba kely

  • 9 ny Efitrano Fanjakana simba be

  • 3 ny Efitrano Fanjakana rava

  • 53 ny trano nisy simba kely

  • 41 ny trano simba be

  • 10 ny trano rava

Fanampiana tra-boina

  • Dieny mbola tsy mihotsaka ny tany vokatr’ilay sikilaonina, dia nasain’ny sampan’i Mozambika hiala tany amin’ny faritra mampidi-doza ny mpitory rehetra, ka hifindra tany amin’ny faritra tsy atahorana kokoa

  • Nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky efatra ny sampana mba handamina an’izay ilaina, anisan’izany ny hoe manangana fialofana vonjimaika ho an’ny tra-boina

  • Nanampy sy nampahery ny mpitory koa ny mpiandraikitra ny faritra, tamin’izay toerana tena voa mafy

  • Nanaraka tsara ny fepetra natao hiarovana amin’ny COVID-19 daholo izay nandray anjara tamin’ilay fanampiana tra-boina

Tsy andrintsika izay hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ka hifarana ny loza sy ny fijaliana vokatr’ireny loza ireny.​—Matio 6:10.