Hijery ny anatiny

17 NOVAMBRA 2020
MOZAMBIKA

Navoaka Tamin’ny Teny Gitonga sy Ronga ny Bokin’i Matio

Navoaka Tamin’ny Teny Gitonga sy Ronga ny Bokin’i Matio

Navoaka tamin’ny teny gitonga sy ronga, fiteny any amin’ny faritra atsimon’i Mozambika, Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio amin’ny endrika elektronika, tamin’ny 14 sy 15 Novambra 2020. Fanomezana tonga ara-potoana avy amin’i Jehovah izy io, ho an’ireo mpitory 524 miteny gitonga sy ireo mpitory 1 911 miteny ronga.

Ny Rahalahy Amaro Teixeira, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika no namoaka an’io Baiboly io. Nalaina video mialoha ilay fandaharana mba hojeren’ny mpitory. Ankoatra izay, dia nalefa tamin’ny tele nasionaly sy radio samihafa ilay fandaharana. Mbola havoaka amin’ny bokikely kely velarana 64 pejy koa io bokin’i Matio io satria tsy afaka mampiasa an’ilay endrika elektronika ny ankamaroan’ny mpamaky.

Hoy ny Rahalahy Teixeira: “Vitsy kely ny Baiboly sy boky ara-baiboly amin’ireo fiteny ireo, dia tena faly izahay rehefa nahazo an’io bokin’i Matio io. Hita ao mantsy ny tetirazan’i Jesosy sy ny nahaterahany, ny toriteniny malaza teo an-tendrombohitra, ary ny faminaniana nolazainy momba ny andro farany.”

Marina tsara sady mora azo ireo fandikan-teny ireo ka azo antoka hoe hahasoa ny mpamaky. Hoy ny mpandika teny iray: “Be dia be mihitsy ny zavatra azo ianarana ao amin’ny bokin’i Matio. Azoko antoka hoe betsaka no ho latsa-dranomaso rehefa hamaky ny Toriteny teo An-tendrombohitra amin’ny fiteniny.”

Milaza ny manam-pahaizana fa misy 224 000 eo ho eo ny olona miteny gitonga, ary 423 000 eo ho eo no miteny ronga. Manantena isika hoe hanampy olona be dia be hahita “ny lalana mankany amin’ny fiainana” ireo fandikan-teny ireo.—Matio 7:14.