Hijery ny anatiny

22 JONA 2023
MOZAMBIKA

Nivoaka Manontolo Tamin’ny Teny Changana (Mozambika) ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Manontolo Tamin’ny Teny Changana (Mozambika) ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka manontolo tamin’ny teny changana (Mozambika) ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 18 Jona 2023. Ny rahalahy Charles Fonseca, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika no namoaka an’ilay izy, ary nisy mpanatrika 16 245 ilay fandaharana natao tao Maputo, renivohitr’i Mozambika. Nahazo vita pirinty tamin’io Baiboly io ny mpanatrika tamin’izay, ary azo nalaina tao amin’ny Internet koa ny endrika elektronika tamin’ilay izy.

Efa ho 4,2 tapitrisa ny olona miteny changana (Mozambika) ka any amin’ny faritany farany atsimon’i Mozambika ny ankamaroan’izy ireo no mipetraka, izany hoe any Maputo sy Gaza. Betsaka ny fitenim-paritra changana (Mozambika) ka niezaka ny mpandika teny mba hampiasa an’izay teny azon’ny ankamaroan’ny olona miteny changana (Mozambika), na aiza na aiza faritra misy azy.

Maro amin’ny mpitory miteny changana (Mozambika) no nampiasa Baiboly amin’ny teny tsonga, talohan’ny nivoahan’io Baiboly amin’ny fiteniny io. Mitovitovy mantsy ireo fiteny anankiroa ireo. Sarotra be tamin’ny olona sasany anefa ny nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, vokatr’izany. Hoy ny mpandika teny iray: “Lasa manohina ny fon’ny olona miteny changana (Mozambika) ny hafatra ao amin’ny Baiboly, noho ity fandikan-teny vaovao ity.”

Nisy mpandika teny iray koa nanome ohatra mampiseho hoe mazava tsara ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny changana (Mozambika). Hoy izy: “Mampiasa ny teny hoe ‘fanahy’ ny Baiboly amin’ny fiteny hafa ampiasaina aty faritra misy anay. Indraindray anefa io teny io heverin’ny olona hoe zavatra tsy mety maty sady miala amin’ny vatana, rehefa maty ny olona iray. Marina tsara anefa ny nandikana azy ao amin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny changana (Mozambika) hoe ny ‘hery mamelona’ no miverina amin’ny Mpamorona, fa tsy ilay olona maty.”

Faly isika fa ‘mandefa ny hazavany sy ny fahamarinany’ i Jehovah, satria lasa mazava kokoa amin’ny olona miteny changana (Mozambika) izao ny Teniny.​—Salamo 43:3.