Hijery ny anatiny

4 MEY 2023
MOZAMBIKA

Nivoaka Tamin’ny Teny Gitonga ny Soratra Grika Kristianina

Nivoaka Tamin’ny Teny Gitonga ny Soratra Grika Kristianina

Navoaka tamin’ny teny gitonga Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 30 Aprily 2023. Nandritra ny fivoriana manokana iray natao tany Maxixe, Faritr’i Inhambane, any Mozambika, no namoahana an’ilay izy. Ny Rahalahy Wayne Wridgway, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika, no namoaka an’ilay Baiboly, ary 920 no nanatrika an’ilay fandaharana. Nahazo an’ilay Baiboly vita pirinty ny mpanatrika. Efa azo nalaina tamin’ny endrika elektronika koa ilay izy.

Ny olona avy any amin’ny Faritr’i Inhambane, any Mozambika, no mampiasa ny teny gitonga. Malaza hoe tia mandray vahiny sady malala-tanana ny olona any. Gitonga no tenin-drazan’ireo olona 327 000 eo ho eo avy amin’ny faritra samihafa any Inhambane, izany hoe any Homoíne, Jangamo, Maxixe, ary Morrumbene.

Ny biraon’ny fandikan-teny mitokana any Maxixe, Faritr’i Inhambane, any Mozambika

Efa nampiasa Baiboly tamin’ny teny gitonga ny mpitory teo aloha, saingy sarotra be tamin’izy ireo ny nahazo an’izay nolazain’ilay izy. Faly be ny rahalahy sy anabavy nahazo an’ilay Baiboly vao nivoaka satria lasa afaka mamaky Baiboly amin’ny fandikan-teny mora azo izy ireo. Nilaza ny mpandika teny iray hoe: “Rehefa miresaka amin’ny zanany ny ray be fitiavana dia mampiasa teny tsotra sy mahazatra. Hoatr’izany koa fa ho lasa mora azon’ny olona miteny gitonga ny tenin’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, rehefa mamaky an’ity Baiboly ity izy ireo.”

Nilaza ny Rahalahy Wridgway rehefa namoaka an’ilay Baiboly hoe: “Raha te ho akaiky an’Andriamanitra isika dia tsy ampy ny miresaka aminy isan’andro amin’ny alalan’ny vavaka. Mila mihaino azy isan’andro koa isika rehefa miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly izy. Mampirisika anareo izahay mba hanomboka hamaky, faran’izay haingana, an’ilay Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, dia hizatra hamaky azy io isan’andro.”

Miara-paly amin’ireo rahalahy sy anabavy isika amin’ilay Baiboly vao nivoaka. Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah foana ny asa fitoriana any amin’ny faritra miteny gitonga.​—Romanina 12:15.