Hijery ny anatiny

24 JONA 2022
MOZAMBIKA

Nivoaka Tamin’ny Teny Lomwe ny Soratra Grika Kristianina

Nivoaka Tamin’ny Teny Lomwe ny Soratra Grika Kristianina

Ny Rahalahy Patrick Hecker, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika, no namoaka Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny teny lomwe, tamin’ny 19 Jona 2022. Nivoaka nandritra ny fandaharana iray noraisina video mialoha ilay Baiboly amin’ny endrika elektronika. Nanatrika an’ilay fandaharana tany amin’ny Efitrano Fanjakana nisy azy avy ny ankamaroan’ny mpitory tany amin’ny fiangonana miteny lomwe. Nahazo an’ilay Baiboly vita printy ny mpanatrika rehetra tany.

Efa tamin’ny 1930 no nisy Baiboly tamin’ny teny lomwe, saingy lafo be izy ireny sady teny tranainy be no ao. Tsy marina koa ny fomba nandikana an’ireny Baiboly ireny. Hoatr’izao, ohatra, ny nandikan’ny sasany amin’izy ireny ny Lioka 23:43 hoe: “Lazaiko aminao anio fa hiaraka amiko any an-danitra ianao.” Marina tsara anefa ny nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’ilay izy hoe: “Lazaiko marina aminao anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”

Mpitory any amin’ny fiangonana mugeba mampiseho ny Baibolin’izy ireo

Nilaza ny mpandika teny iray momba an’ilay Baiboly vaovao hoe: “Mazava tsara sady mora vakina Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Azo antoka hoe ho mora kely amin’ny mpiara-manompo izao ny mahazo ny hevitry ny Soratra Masina, sady vonona hampihatra ny zavatra hianarany ry zareo.”

Mino isika fa tena hanampy ny mpiara-manompo hanatanjaka ny ara-panahiny foana ity Baiboly ity, sady azon-dry zareo anampiana ny olona eny amin’ny fanompoana.​—Matio 5:3.