Hijery ny anatiny

9 MARTSA 2023
MOZAMBIKA

Nivoaka Tamin’ny Teny Ronga ny Soratra Grika Kristianina

Nivoaka Tamin’ny Teny Ronga ny Soratra Grika Kristianina

Nampandrenesina tamin’ny 5 Martsa 2023 tamin’ny fivoriana manokana iray natao tao amin’ny Kianja Nasionalin’i Zimpeto, any Mozambika, fa nivoaka tamin’ny teny ronga Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ny Rahalahy Castro Salvado, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika, no nanao an’ilay fampandrenesana ary olona 3 150 no nanatrika an’ilay fivoriana. Hatramin’ny nisian’ny valanaretina COVID-19, dia sambany tamin’io no nisy fivoriana natrehina mivantana mba hamoahana Baiboly vaovao. Samy nahazo Baiboly vita pirinty daholo ny mpanatrika.

Fitenin-drazan’ny olona 618 000, fara fahakeliny, ny teny ronga. Io no fitenin’ny olona ao amin’ny faritanin’i Maputo, any Mozambika. Efa maromaro ihany ny Baiboly voadika amin’io fiteny io, saingy tsy azon’ny ankamaroan’ny mpamaky intsony ny fomba fanoratana an’ilay izy.

Izao no nolazain’ny mpandika teny iray momba an’ilay Baiboly vao nivoaka: “Tena faly aho hoe nahazo an’io fanomezana io! Fantatro hoe faly be koa ny rahalahy sy anabavy nahazo an’io Baiboly io satria tsotra sy mora azo ny teny ao anatiny. Hoatran’ny hoe afaka miresaka aminay mivantana mihitsy izao i Jehovah dia manohina ny fonay ny teniny.”

Miara-paly amin’ireo rahalahy sy anabavintsika nahazo an’io Baiboly io isika, sady mivavaka mba hotahin’i Jehovah foana ny fitoriana atao amin’ny teny ronga.​—Romanina 12:15.