Hijery ny anatiny

6 OKTOBRA 2022
MOZAMBIKA

Nivoaka Tamin’ny Teny Sena ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Sena ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny 2 Oktobra 2022 ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny teny sena, ka ny Rahalahy David Amorim, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika no namoaka azy. a Efa noraisina video mialoha ilay fandaharana, dia nalefa hojeren’ny mpitory tany amin’ny Efitrano Fanjakana nisy azy avy. Nalefa tamin’ny tele sy radiom-pirenena 14 koa ilay izy.

Ny mponina any Mozambika any amin’ireto faritany efatra ireto no mampiasa ny fiteny sena: Manica, Sofala, Tete, ary Zambezia. Ampiasaina any amin’ny faritra sasany any Malawi koa ny fiteny sena.

Any Beira, Mozambika, no misy ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana Sena

Sambany tamin’ity ny Vavolombelon’i Jehovah vao nahavita nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao iray manontolo tamin’ny fitenin-drazana any Mozambika. Efa nisy boky sasany tao amin’ny Baiboly voadika tamin’ny teny sena talohan’ity, fa lafo be izy ireny sady mampiasa fiteny ntaolo be.

Miara-mifaly amin’ny mpiara-manompo miteny sena isika, satria miavaka be ny fitahiana nomen’i Jehovah azy ireo.​—Ohabolana 10:22.

a Sady misy amin’ny endriny elektronika ilay Baiboly no misy vita pirinty.