7 APRILY 2022
MYANMAR
Navoaka Tamin’ny Teny Karen (S’gaw) ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Navoakan’ny Rahalahy Mats Kassholm, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Myanmar, tamin’ny 27 Martsa 2022 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny karen (s’gaw) amin’ny endrika elektronika. Efa nalaina video mialoha ilay fandaharana ary 620 teo ho eo ny mpanatrika. Mbola amin’ny Aprily 2022 vao hivoaka ny Baiboly vita pirinty.
Tamin’ny 1914 no nisy Mpianatra ny Baiboly, na Vavolombelon’i Jehovah, tonga voalohany tany Myanmar. Taoriandriana kelin’ny 1940 no nisy mpitory miteny karen (s’gaw) natao batisa voalohany.
Tena hanampy an-dry zareo any ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, satria efa tsy azon’ny olona intsony ny teny ao amin’ny Baiboly amin’ny fiteny karen (s’gaw) ananan’ny olona any. Raha tsy izay indray dia be dia be ny hevitra diso ao anatin’ireny Baiboly ireny. Izao, ohatra, no andikan’ny Baiboly iray amin’ny teny karen (s’gaw) ny ampahany amin’ny Salamo 72:16: “Vokatra eran’ny tanana any anaty tany.” Marina kokoa anefa ny andikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’io, hoe: “Hahavokatra be ny tany.”
Tena fitahiana avy amin’i Jehovah ho an’ny mpitory miteny karen (s’gaw) io Baiboly vaovao io. Enga anie mba hanampy an-dry zareo hifandray tsara amin’i Jehovah foana io Baiboly io.—1 Petera 5:10.