Hijery ny anatiny

NAMIBIA

Topy Maso An’i Namibia

Topy Maso An’i Namibia

Efa tamin’ny 1929 no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Namibia. Noraran’i Afrika Atsimo anefa ny asan’izy ireo. Navelan’ny Fikambanam-pirenena hanjanaka an’i Namibia mantsy i Afrika Atsimo, tamin’izany. Tsy navelan’ny manam-pahefana nankany amin’ny tanànan’ny mainty hoditra ny fotsy hoditra, tamin’ny voalohandohan’ny taona 1950 ka hatramin’ny 1979 tany ho any, raha tsy nahazo alalana tamin’ny fanjakana. Lasa tsy tena afaka nanao ny asany àry ireo misionera tany. Nanohitra be koa ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahefana, nandritra an’ireo taona ireo, rehefa nahita ny Vavolombelona niresaka ny zavatra inoany.

Nahazo fahaleovan-tena i Namibia, tamin’ny 21 Martsa 1990. Lasa afaka nitory sy nampianatra Baiboly indray àry ny Vavolombelon’i Jehovah, vokatr’ilay lalàm-panorenana vaovao. Nekena ho ara-dalàna koa ny fikambanan’izy ireo, tamin’ny 2008. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah any Namibia, satria lasa afaka manaraka tsara ny fivavahany.