Hijery ny anatiny

Ranabavy Pushpa Ghimire (havia) sy Tirtha Maya Ghale (havanana) misy gadra vy, taloha kelin’ny nanafahana azy ireo avy tao am-ponja tany Népal, tamin’ny 4 Novambra 2019

15 NOVAMBRA 2019
NÉPAL

Népal: Navoaka ny Fonja Aloha ny Vavolombelon’i Jehovah Roa Nomelohina Tsy Ara-drariny

Népal: Navoaka ny Fonja Aloha ny Vavolombelon’i Jehovah Roa Nomelohina Tsy Ara-drariny

Nafahana avy tany am-ponja ny Ranabavy Tirtha Maya Ghale sy Pushpa Ghimire, tamin’ny 4 Novambra 2019. Nomelohin’ny fitsarana higadra telo volana mantsy izy roa vavy ary efa nijanona tany iray volana mahery. Nogadraina izy ireo satria fotsiny hoe manompo an’Andriamanitra, nefa manan-jo hanao an’izany izy ireo, araka ny lalàna any Népal sy ny lalàna iraisam-pirenena.

Nosamborina ny Ranabavy Ghale sy Ghimire, herintaona talohan’izay, satria niresaka momba ny Baiboly tamin’ny olona liana teny an-dalana. Notazonina tao amin’ny paositry ny polisy nandritra ny 13 andro izy roa vavy. Nandoa onitra ambony be mitentina 100000 ropia (3450000 ariary eo ho eo) izy ireo avy eo, ary nafahana. Mbola nitohy anefa ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana mba hiampangana azy ireo ho mpanao heloka bevava.

Niakatra fitsarana voalohany izy roa vavy ny 10 Desambra 2018 ary nitohy nandritra ny folo volana be izao ny fitsarana azy ireo. Samy nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Rupandehi higadra telo volana izy ireo sady tsy maintsy nandoa sazy 2500 ropia (82000 ariary eo ho eo).

Nilaza ilay mpitsara tao hoe mampiova finoan’ny olona izy roa vavy ka izany no nanamelohany azy. Nanana boky ara-baiboly mantsy izy ireo ary nizara an’ireny. Mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana i Népal ary ao anatin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika. Tokony havelany malalaka àry ny olona raha te hiova fivavahana sy te hampihatra ny zavatra inoany, na eny imason’olona na any an-tranony. Tsy nanery olona hiova fivavahana ny Ranabavy Ghale sy Ghimire fa nizara boky ara-baiboly tamin’izay te hihaino azy fotsiny. Nampakarin’ny mpisolovavan’izy roa vavy any amin’ny Fitsarana Avo àry ilay raharaha, tamin’ny 31 Oktobra 2019. Nilaza ny Fitsarana Avo hoe tsy voatery hijanona any am-ponja izy roa vavy mandra-piandry ny didim-pitsarana farany. Nomena fahafahana vonjimaika àry izy ireo.

Mivavaka ho azy roa vavy isika. Enga anie izy ireo ka homen’i Jehovah fanahy masina ka hatanjaka sy ho faly ary hilamin-tsaina foana mandra-piandry ny didim-pitsarana farany!—Romanina 15:13.