Hijery ny anatiny

17 JONA 2015
NÉPAL

Fanampiana Iraisam-pirenena Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho An’ny Tra-boina any Népal

Fanampiana Iraisam-pirenena Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho An’ny Tra-boina any Népal

KATMANDOU, any Népal—Namely an’i Népal ny horohoron-tany mafy tamin’ny 25 Aprily 2015, ka an’arivony no maty, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah iray sy ny zanany roa. Nanao ezaka ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, Bangladesy, Etazonia, Inde, Japon, ary Soisa mba hanampiana an’ireo niharam-boina. Mbola nisy horohoron-tany fanindroany tany tamin’ny 12 Mey 2015. Araka ny tatitra nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nisy tamin’izy ireo maty na naratra mafy na simba be ny fananany.

Manome sakafo indroa isan’andro ho an’ny mpiara-mivavaka aminy sy ny tra-boina hafa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Notsidihin’ny solontenan’ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Népal ny fiangonana tsirairay tany amin’ny Lohasahan’i Katmandou, faritra tena voa mafy, ny ampitson’ilay horohoron-tany voalohany, mba hamantarana an’izay ilain’ireo niharam-boina. Nisy 38 ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah ravan’iny horohoron-tany iny ary 126 no simba. Nisy tamin’ireo tsy nanan-kialofana ireo napetraka tany amin’ny mpiara-mivavaka aminy, nisy napetraka tany amin’ny toeram-pivavahan’izy ireo, izay antsoina hoe Efitrano Fanjakana, ary nisy nananganana lay. Nanomboka nandefa sakafo koa ny biraon’i Népal. Nitombo izany tsy ela taorian’izay satria nandefa koa ny avy any Birgunj, Damauli, Mahendranagar, ary Pokhara, tanàna hafa tao Népal, sy ny tany Bangladesy sy Inde. Nisy Vavolombelon’i Jehovah miasa an-tsitrapo tonga avy tany Inde sy Japon ary Népal mba hanorina trano vonjimaika. Ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky no mandamina ny asan’izy ireo.

Mitatitra an’ireo fanampiana avy any Birgunj, any Népal, ny mpiasa an-tsitrapo avy ao amin’ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Népal.

Hoy i Reuben Thapaliya, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Népal: “Tsy ny zavatra ilain’ireo tra-boina ara-batana ihany no eritreretinay fa izay ilainy ara-panahy koa. Sady miezaka manome sakafo sy rano ary fialofana izahay, no mandeha mitsidika azy ireo mba hampaherezana azy amin’ny alalan’ny Baiboly.” Nankany amin’ilay toerana niharan-doza i Gary Breaux, solontenan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2-5 Mey 2015, ary nitety fiangonana sy fianakaviana. Nandray anjara tamin’ny fandaharana ara-baiboly manokana natao tamin’ny 4 Mey 2015 Atoa Breaux, ary afaka nanaraka an’ilay izy mivantana ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa nanerana an’ilay faritra. Tonga tany koa i Kenji Chichii, solontenan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon, tamin’ny 5 Mey 2015. Nitsidika fianakaviana maromaro koa izy ary nanao lahateny ara-baiboly mampahery.

Mijery ny simba amin’ny trano iray i Gary Breaux (ankavanana), solontenan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nandefa mpitsabo ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina ka ny iray anestezista, ny iray dokotera mpandidy, ny iray mpitsabo mpanampy, ary ny iray mpitsabo amin’ny vonjy taitra. Nitondra fanafody avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Bangladesy sy Inde ary Japon izy ireo ary nitondra fitaovana fanaovana fandidiana sy fitsaboana lehibe, izay azo entina mandehandeha. Niara-niasa tamin’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky any Népal izy ireo mba hikarakarana marary any amin’ny Efitrano Fanjakana eo amin’ny faritra nitrangan’ilay loza.

Ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray any Katmandou no omena sakafo sy fialofana ny Vavolombelon’i Jehovah tra-boina.

Hoy i J. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foiben’izy ireo: “Mitohy ny fanampiana ataonay satria fantatray hoe tsy fanasitranana ara-batana noho ny loza nitranga fotsiny no ilain’ny olona. Afaka matoky ny mpiara-mivavaka aminay any Népal sy ny olon-kafa tsy maty tamin’iny loza iny fa mbola hanampy azy ireo ara-panahy sy ara-batana foana izahay. Mahatsiaro azy ireo foana izahay ary mivavaka ho azy ireo.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Alemaina: Wolfram Slupina, tel. +49 6483 41 3110

Japon: Ichiki Matsunaga, tel. +81 46 233 0005

Népal: Reuben Thapaliya, tel. +977 9813469616