Hijery ny anatiny

25 AOGOSITRA 2017
NÉPAL

Tondra-drano sy Tany Mihotsaka any Népal

Tondra-drano sy Tany Mihotsaka any Népal

Nisy oram-be niteraka fihotsahan’ny tany sy tondra-drano tany Népal ka an’arivony ny olona tsy maintsy niala ny tranony ary 140 mahery no maty. Lalambe maro no simban’ny tondra-drano ary tapaka koa ny herinaratra any amin’ny faritra maro, ka tsy tonga any ny fanampiana tra-boina.

Ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon no manara-maso ny asan’ny Vavolombelona any Népal. Mandefa tatitra io sampana io hoe tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah naratra na maty. Fianakaviana Vavolombelona efatra anefa, fara fahakeliny, no tsy maintsy niala ny tranony satria tratran’ny tondra-drano. Ny Vavolombelona any an-toerana izao no mikarakara an’ireo mpiara-manompo tsy maintsy nifindra ireo.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Japon: Ichiki Matsunaga, +81-46-233-0005

Népal: Reuben Thapaliya, +977-981 346 9616