Hijery ny anatiny

29 APRILY 2014
NIKARAGOÀ

Horohoron-tany Tany Nikaragoà

Horohoron-tany Tany Nikaragoà

Nisy horohoron-tany nahatratra 5,1 amin’ny maridrefy Richter tany avaratrandrefan’i Managoà, any Nikaragoà, tamin’ny 14 Aprily 2014. Efa nisy horohoron-tany tany nandritra ny efatra andro nisesy talohan’io. Nahatratra 6,6 amin’ny maridrefy Richter ny mafy indrindra tamin’izy ireo. Nilaza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Amerika Afovoany, any Meksika, fa tsy nisy Vavolombelona naratra. Trano 7 an’ny Vavolombelona kosa no rava ary 21 no simba be. Simba be koa ny Efitrano Fanjakana iray, izay toeram-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tanànan’i Nagarote. Teo amin’ny parking eo ivelan’ilay Efitrano Fanjakana àry ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah roa no nankalaza ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, fanao isan-taona. Nisy 530 mahery ny mpanatrika, anisan’izany ny olona maro tsy Vavolombelona. Nanome fanampiana sy trano vonjimaika ho an’ireo Vavolombelona tra-boina ny biraon’ny sampana.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Amerika Afovoany: Gamaliel Camarillo, tel. +52 555 133 3048