21 OKTOBRA 2022
NIZERIA
Loza “Lehibe” Vokatr’ilay Tondra-drano Nandravarava Tany Nizeria
Nisy tondra-drano be tany Nizeria, ary iny no nahery indrindra tany tao anatin’izay taona maro lasa izay. Oram-be nivatravatra tsy hoatran’ny mahazatra no nahatonga an’ilay izy. Tany amin’ny faritra atsimo amoron-tsiraka sy teny amin’ny reniranon’i Niger sy Bénoué no tena voa mafy. Betsaka ny zavatra simba anisan’izany ny lalana sy ny tetezana, dia tapaka ny herinaratra. Olona iray tapitrisa mahery àry no nafindra toerana, ary 600 fara fahakeliny no maty. Loza “lehibe” no niantsoan’ny Fikambanana Misahana ny Aro Loza any Nizeria an’ilay izy. Nilaza ny manam-pahefana fa hisy krizy ara-tsakafo ao aoriandriana ao, vokatr’io tondra-drano nandravarava io.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy maty ny rahalahintsika na ny anabavintsika
4 074 ny mpitory nafindra toerana
900 ny trano safotry ny rano
180 ny trano rava
Efitrano Fanjakana 70 sy Efitrano Fivoriambe 1 no safotry ny rano
Fanampiana tra-boina
Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 4 notendrena
Nomena sakafo sy trano ary zavatra hafa nilainy ny mpitory nafindra toerana
Nanao fitsidihana ondry an’ireo tra-boina ny anti-panahy teny an-toerana sy ny mpiandraikitra ny faritra, dia nanome fanampiana mety ho nilain’ireo tra-boina
Natao nifanaraka tamin’ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 daholo ny fanampiana rehetra
Faly isika satria na dia miaina amin’izao fotoan-tsarotra izao aza, dia mbola manome ‘trano fialofana amin’ny andro hiavian’ny loza’ ho an’ny vahoakany ihany i Jehovah, na ara-bakiteny izany na ara-panahy.—Salamo 27:5.