Hijery ny anatiny

27 DESAMBRA 2019
NIZERIA

Navoaka Tamin’ny Teny Tiv Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Tiv Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoakan’ny Rahalahy Wilfred Simmons, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Nizeria, Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tiv, tamin’ny 20 Desambra 2019. Tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”! no navoaka ilay izy, tao amin’ny City Bay Event Center any Makurdi, Nizeria.

Naharitra roa taona latsaka kely ny fandikana an’io Baiboly io, ary nety tsara ny fotoana nivoahany. Anisan’ny fiteny be mpampiasa indrindra any Nizeria mantsy ny teny tiv satria olona dimy tapitrisa mahery no mampiasa azy. Nitombo be koa ny isan’ny mpitory tany tato anatin’ny telo taona, izany hoe 600 lasa 1012.

Matoky isika hoe hampiroborobo be ny fitoriana amin’ny olona miteny tiv ny fivoahan’iny Baiboly vaovao iny, satria “efa masaka hojinjaina ny vokatra” any.—Jaona 4:35.