22 FEBROARY 2023
NIZERIA
Nivoaka Tamin’ny Teny Pidgin (Afrika Andrefana) sy Urhobo ny Soratra Grika Kristianina
Navoakan’ny Rahalahy Jeffrey Winder, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny pidgin (Afrika Andrefana) sy urhobo, tamin’ny 12 Febroary 2023. Afaka nanaraka an’ilay fandaharana ny fiangonana tany Nizeria, ka nisy 559 326 ny mpanatrika. Vao nivoaka ilay Baiboly dia tonga dia azo nalaina tamin’ny endrika elektronika. Hivoaka tsy hoe ela amin’ity taona 2023 ity ny vita pirinty.
Tamin’ny 2015 no niforona ny fiangonana voalohany amin’ny teny pidgin (Afrika Andrefana). Misy fiangonana 1 100 mahery miteny pidgin izao any Nizeria, ankoatra an’ireo fiangonana be dia be miteny pidgin (Afrika Andrefana) any an-tany hafa, ohatra hoe any Angletera sy Etazonia. Tsy nanana afa-tsy Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny anglisy ny fiangonana tany teo aloha. Nilaza ny rahalahy iray hoe: “Nahasadaikatra be taloha ilay hoe mitory amin’ny teny pidgin nefa Baiboly amin’ny teny anglisy no vakina. Misy fotoana aza tsy azon’ilay olona itoriana akory ny zavatra vakina aminy. Izao anefa izahay hitory amin’ny teny pidgin sy hampiasa Baiboly amin’ny teny pidgin amin’izay. Vao mainka hazava kokoa amin’ny olona izao ny hafatra torinay satria mampiasa Baiboly amin’ny fiteniny izahay.”
Tamin’ny 1933 no niforona ny fiangonana voalohany amin’ny teny urhobo. Tamin’ny 1968 no nadika ny bokikely voalohany amin’ny teny urhobo, mitondra ny lohateny hoe Manantena Tontolo Vaovao Hanjakan’ny Fahamarinana. Nitombo ny isan’ny fiangonana miteny urhobo taorian’izay, ary lasa 103. Mampiasa fiteny mahazatra ny olona sady mora azo ilay Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny urhobo, ka tena hanampy be an’ireo fiangonana any.
Mivavaka isika mba hanampy olona maro kokoa ‘hahafantatra tsara ny sitrapon’Andriamanitra’ ireo fandikan-teny ireo.—Kolosianina 1:9.