13 NOVAMBRA 2020
NIZERIA
Tondra-drano Nahafaty Olona Tany Nizeria
Nanorana be tany Nizeria tamin’ny volana Septambra sy Oktobra 2020 ka tondraka be ny rano tany amin’ny faritra maromaro. Be dia be ny trano sy voly simba be vokatr’izany. Mampalahelo fa nisy rahalahintsika iray namoy ny ainy. Mpitory 1 828 mahery koa no tsy maintsy nandao ny tranony ary trano 62, fara fahakeliny, no simba. Tranona mpiara-manompo daholo ireo.
Nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky miisa fito ny sampan’i Nizeria mba hikarakara ny fanampiana ilaina. Manaraka hatrany ny toromarika momba ny COVID-19 ireo komity ireo rehefa manao an’izany. Miara-miasa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy eo an-toerana mba hanome izay ilain’ireo mpiara-manompo tra-boina sy hampahery azy ireo.
Malahelo isika satria nisy olona maty tamin’ilay loza. Matoky anefa isika fa hampahery sy hanampy an’ireo rahalahintsika foana i Jehovah, ilay Andriamanitra mpamonjy antsika, amin’izao zava-tsarotra iainan-dry zareo izao.—Salamo 68:19.