Hijery ny anatiny

23 OKTOBRA 2018
NIZERIA

Oram-be Niteraka Tondra-drano any Nizeria

Oram-be Niteraka Tondra-drano any Nizeria

Nisy oram-be tany Nizeria ka nahatonga tondra-drano, indrindra fa tany amin’ny faritra afovoany sy atsimon’i Nizeria. Tondraka ny reniranon’i Bénoué sy Niger, izany hoe ireo renirano roa lehibe indrindra any, ka olona an’arivony no tsy maintsy nifindra toerana ary 100 mahery no maty.

Tsy nisy maty na naratra ny rahalahintsika, araka ny tatitra voalohandohany voaray. Mpitory 2000 anefa, fara fahakeliny, no tsy maintsy nafindra toerana, ary ny 1000 mahery amin’ireo no mila fanampiana vonjy rano vaky. Mipetraka any an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny faritra tsy tratran’ny loza ny ankamaroan’ireo tsy maintsy nifindra toerana.

Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky natsangana mba hikarakara an’izay ilain’ireo tra-boina sy hampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly. Nitsidika ny mpitory any amin’ny faritra tratran’ny loza koa ny rahalahy roa anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Nizeria sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny rahalahy vitsivitsy anisan’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana sy ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana.

Na eo aza ny olana aterak’ilay loza, dia hita hoe ‘fiarovana mafy amin’ny fotoam-pahoriana’ foana i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.—Salamo 37:39.