Hijery ny anatiny

4 AOGOSITRA 2017
NIZERIA

Oram-be Nivatravatra Tany Nizeria

Oram-be Nivatravatra Tany Nizeria

Avy be mihitsy ny orana tany amin’ireo faritra atsimoandrefan’i Nizeria nanomboka ny 6 Jolay ka hatramin’ny 12 Jolay 2017. Lasa tondraka àry ny rano tany Lagos sy Niger ary Oyo. Milaza ny vaovao hoe olona 18, fara fahakeliny, no maty.1

Nanamafy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Nizeria fa tsy nisy Vavolombelona maty na naratra tamin’iny loza iny. Na izany aza anefa dia Vavolombelona efatra no voatery nandao ny toerana nisy azy. Roa koa ny tranona Vavolombelona simba ary nisy iray hafa rava tanteraka. Tsy ny mpiara-mivavaka aminy tra-boina ihany no ampian’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Nizeria, fa ireo mpiray tanàna aminy tsy Vavolombelona koa. Maro amin’izy ireo mantsy no lasa tsy manan-kialofana na voatery nifindra toerana.2

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Nizeria: Paul Andrew, +234-7080-662-020