28 MARTSA 2024
NORVEZY
Hampakatra Fitsarana Momba An’ilay Didy Tsy Mifanaraka Amin’ny Lalàm-panorenana ny Vavolombelon’i Jehovah any Norvezy
Nohamafisin’ny Fitsaram-paritra any Oslo, tamin’ny 4 Martsa 2024, ilay didy navoakan’ny fitondrana norvezianina hoe tsy ekena ho fivavahana ara-dalàna intsony ny Vavolombelon’i Jehovah any. Hampiakatra fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah any Norvezy, vokatr’izany.
Nanambara ny governoram-paritr’i Oslo sy Viken hoe tsy ekena ho fivavahana ara-dalàna intsony isika tamin’ny faran’ny taona 2022. Natsahatry ny Fitsaram-paritra any Oslo aloha io fanesorana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna io tamin’ny 30 Desambra 2022, mandra-pahavitan’ny fanadihadiana. Mbola tsy eken’ny fanjakana ho ara-dalàna foana anefa amin’izao ny Vavolombelon’i Jehovah any Norvezy. Tsy hekena ho ara-dalàna, hono, isika raha tsy ovantsika aloha ny fitsipika arahintsika momba an’izay mpanao ratsy tsy mibebaka, ka tsy maintsy roahina tsy eo anivon’ny fiangonana.
Vokatr’ilay didy hoe hesorina tsy ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna intsony ny Vavolombelon’i Jehovah any Norvezy, dia lasa tsy mahazo vola fanampiana sy tombontsoa hafa omen’ny fanjakana an’izay fivavahana efa nekena hoe ara-dalàna isika. Mahazo an’ireo daholo anefa ireo fivavahana 700 mahery hafa efa nekena hoe ara-dalàna any amin’io tany io. Anisan’ny vokatr’ilay didy koa ny hoe lasa tsy nahazo alalana hanoratra fanambadiana intsony izay Vavolombelona nahazo nanao an’izany.
Mbola miandry ny valin’ilay fampiakarana fitsarana isika izao. Eo am-piandrasana an’izany anefa, dia hivavaka foana isika ho an’ireo “mpanjaka sy izay rehetra mitana toerana ambony. Amin’izay isika hanana fiainana milamina foana sy tsy ho voahelingelina, sady hahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra.”—1 Timoty 2:1, 2.