Hijery ny anatiny

Ankavia: Rahalahy sy anabavy an-jatony no nanatrika an’ilay fivoriambe manokana tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Wellington, tamin’ny 8 Martsa 1947. Ankavanana: Ivelan’ny trano misy ny birao, tao amin’ny Betelan’i Wellington any Nouvelle-Zélande, teo amin’ny 69 Kent Terrace

7 MARTSA 2022
NOUVELLE-ZÉLANDE

Efa 75 Taona Izay no Nahazoantsika “Zo Ara-dalàna Hitory” ny Vaovao Tsara any Nouvelle-Zélande

Efa 75 Taona Izay no Nahazoantsika “Zo Ara-dalàna Hitory” ny Vaovao Tsara any Nouvelle-Zélande

Feno 75 taona tamin’ity Martsa 2022 ity ny nanekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Zélande. Nandeha tany amin’ny Parlemantan’i Nouvelle-Zélande ny Rahalahy Nathan Knorr sy Milton Henschel ary Charles Clayton, tamin’ny 7 Martsa 1947. I Charles Clayton no misionera voalohany tany Nouvelle-Zélande nanao Sekolin’i Gileada. Nomen’ny manam-pahefana azy ireo ny antontan-taratasy manamarina hoe ekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy mpitory 14 500 eo ho eo izao any, ary mbola mandroso be ny asa fitoriana.

Tamin’ny 1898 no notorina voalohany tany Nouvelle-Zélande ny hafatra momba ilay Fanjakana. Niakatra foana avy eo ny isan’ny mpitory. Tezitra ny Eglizy Katolika satria nampianatra ny marina ao amin’ny Baiboly ny boky sy gazetintsika. Nataony àry izay hankahalan’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah. Noraran’ny fanjakana ny asantsika tamin’ny 24 Oktobra 1940. Nahitsin’ny Parlemanta anefa ilay fandrarana tamin’ny 8 Mey 1941. Navelany hivory sy hanompo indray ireo rahalahy, saingy tsy nahazo nampiasa boky sy gazety fa Baiboly ihany. Nofoanana ilay fandrarana tamin’ny 29 Martsa 1945, ary nanomboka nihabetsaka indray ny mpitory. Roa taona fotsiny taorian’izay, dia nitombo 40 isan-jato ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Lasa 659 ny rahalahy sy anabavy nitory ny vaovao tsara, ary tampon’isa vaovao izany.

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Charles Clayton sy Milton Henschel ary Nathan Knorr, teo ivelan’ny Parlemanta tamin’ny 1947. Vao azon’izy ireo ny antontan-taratasy manamarina hoe ekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah

Anisan’ireo tany notsidihin’ny Rahalahy Knorr nandritra an’ilay dia nataony tamin’ny 1947 i Nouvelle-Zélande. Tamin’io izy ilay nandeha tany amin’ny Parlemanta.

Rehefa nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nasiana biraon’ny sampana amin’izay tany Wellington mba handamina tsara ny asa fitoriana. Ny Rahalahy Robert Lazenby no voatendry ho mpikarakara ny sampana voalohany tany.

Niresaka an’ilay biraon’ny sampana vaovao sy ny fitomboan’ny isan’ny mpitory ny Rahalahy Knorr, tao amin’ny tatitra nataony momba an’i Nouvelle-Zélande. Hoy izy: “Samy vonona hanao ny andraikiny daholo ny rehetra mba hanohanana an’ilay sampana, sady niezaka nanaraka ny tari-dalana nomeny.”

Nisy fivoriambe manokana natao tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Wellington, tamin’ny 8 sy 9 Martsa 1947. Tao amin’ny lise teknika teo akaiky teo no natao ny fandaharana tolakandro. Nanao lahateny ny Rahalahy Knorr sy Henschel, tamin’izay, ary efa ho 500 ny mpanatrika.

Vao 17 taona tamin’izany ny Ranabavy Beryl Todd. Izao no lazainy rehefa mahatsiaro an’io fotoana io: “Iny ny fivoriambe ngeza indrindra natrehiko tamin’izany. Falifaly be daholo koa izahay satria teo ny Ranadahy Knorr.” Natao batisa tao anaty dobo filomanosana teo akaiky teo i Clyde Canty, tamin’io andro io. Lasa mpandrindra ny sampan’i Nouvelle-Zélande izy tatỳ aoriana.

Nanao lahateny tany Auckland ny Rahalahy Knorr sy Henschel ary Lazenby, tamin’ny 10 Martsa 1947, ary nisy 300 ny mpanatrika. Nilaza ny Rahalahy Knorr hoe mbola hisy fitomboana be any Nouvelle-Zélande. Hoy izy: “Mino aho fa handroso be ny asa atỳ. Azo antenaina tsara mihitsy hoe hisy fitomboana be amin’ity faritany ity.”

Marina ny tenin’ny Rahalahy Knorr. Nisy fitomboana 18 isan-jato teo ho eo tany Nouvelle-Zélande, tao anatin’ny valo taona taorian’izay. Efa 2 519 ny isan’ny mpitory tamin’ny 1955. Nahatratra tampon’isa 10 000 ny mpitory tamin’ny 1989.

Misaotra an’i Jehovah isika satria izy no nanampy an’ireo rahalahintsika mba hahazo zo ara-dalàna hitory ny vaovao tsara any Nouvelle-Zélande.​—Filipianina 1:7.