Hijery ny anatiny

15 NOVAMBRA 2016
NOUVELLE-ZÉLANDE

Nisy Horohoron-tany Nirefy 7.8 Tany Nouvelle-Zélande

Nisy Horohoron-tany Nirefy 7.8 Tany Nouvelle-Zélande

Nisy horohoron-tany nirefy 7.8 tany amin’ny Nosy Atsimo, any Nouvelle-Zélande, tamin’ny alatsinainy 14 Novambra 2016, taoriana kelin’ny misasakalina. Olona roa no maty, araka ny tatitra voaray voalohany. Mbola nihovotrovotra imbetsaka ny tany taorian’izay, ary nisy horohoron-tany maromaro nirefy 6.0 sy maherin’izany. Vokatr’izany, dia nianjera ireo trano avo, tapaka ny herinaratra sy ny fifandraisana an-telefaonina, simba ny lalana sy ny lalamby, ny tahirin-drano, ary ny fantson-drano.

Araka ny tatitr’ireo anti-panahy tany Nouvelle-Zélande sy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Aostralia, dia tsy nisy naratra na maty ireo Vavolombelona tany. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky tany Christchurch, 91 kilaometatra eo ho eo any atsimoandrefan’ny foiben’ilay horohoron-tany, ny Vavolombelona. Kely ihany no simba tamin’ny tranon’izy ireo sy ny toeram-pivavahany. Miezaka manome izay ilain’izy ireo sy mampahery azy ireo anefa ilay komity.

Manara-maso akaiky ny toe-javatra ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny foiben’izy ireo any New York. Homen’izy ireo alalana hampiasa ny tahirim-bola natao ho an’ny asa maneran-tany ilay komitin’ny vonjy rano vaky, raha ilaina izany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-718-560-5000

Aostralia sy Nouvelle-Zélande: Rodney Spinks, 61-2-9829-5600