Hijery ny anatiny

7 APRILY 2014
OUZBÉKISTAN

Hahita Mangirana Ihany ve Ireo Vavolombelon’i Jehovah any Ouzbékistan?

Hahita Mangirana Ihany ve Ireo Vavolombelon’i Jehovah any Ouzbékistan?

Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah any Ouzbékistan fa hamela azy ireo hanaraka ny fivavahany an-kalalahana ny manam-pahefana any. Nisy fivoriana maromaro nataon’izy ireo niaraka tamin’ny manam-pahefana any, tamin’ny 2013. Anisan’ny nanatrika azy ireny i Igor Yurchenko. Hoy izy: “Voamarikay hoe efa nisy fivoarana be ny resaka nifanaovanay tamin’ireo manam-pahefana eto Ouzbékistan, ary hoatran’ny vonona ny hiova ry zareo. Manantena izahay fa hisy vokany tsara tsy ho ela ireny fivoriana ireny.”

Abdubannob Akhmedov

Anisan’ny zavatra mahavelom-panantenana nataon’ny manam-pahefana ouzbek, ny nanafahan’izy ireo an’i Abdubannob Akhmedov, tamin’ny 2 Martsa 2013. Tokony higadra enin-taona sy tapany izy noho ny asa ara-pivavahana nataony, kanefa nafahana rehefa avy nigadra efa-taona sy tapany mahery. Nisy Vavolombelona roa hafa koa nogadraina niaraka taminy. Efa nafahana izy ireo tamin’ny 2012. Tsy misy Vavolombelona migadra intsony izao any Ouzbékistan.

Tapa-kevitra ny hiova famindra eo amin’ny fanajana ny zon’olombelona i Ouzbékistan, taorian’ny nanafahana an’Atoa Akhmedov. Vonona ny fitondrana any hampihatra an’ireo soso-kevitra natao mba hanekena hoe manan-jo hanaraka ny fivavahana tiany sy ny zavatra inoany ny olon-drehetra sy ny antokon’olona rehetra tsy an-kanavaka. Nampahafantarin’izy ireo tamin’ny fivoriana fanaon’ny Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona ao amin’ny ONU izany, tamin’ny 5 Jolay 2013.

Hezahina hosoratana ara-dalàna ny fiangonana

Iray monja hatramin’izao ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah voasoratra ara-dalàna any Ouzbékistan. Any Chirchik, any amin’ny faritr’i Tashkent no misy azy io. Maro anefa ny Vavolombelon’i Jehovah mipetraka any amin’ny faritra hafa. Tsy afaka nanoratra ara-panjakana an’ireo fiangonana vaovao izy ireo nanomboka tamin’ny 1996, ka tsy mba voaro ara-dalàna rehefa mivory ary mety ho voasazy. Hoy Atoa Yurchenko: “Manantena izahay fa hihatsara kokoa ny toe-javatra, noho ilay fifampiresahana vao haingana tamin’ny manam-pahefana. Mety mba ho voasoratra ara-dalàna daholo amin’izay ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Ouzbékistan.”

Tena tian’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ouzbékistan raha afaka manaraka ny fivavahany an-kalalahana izy ireo. Manantena koa izy ireo fa tsy ho ela dia hosoratan’ny manam-pahefana any ara-dalàna ny fiangonan’izy ireo.