Hijery ny anatiny

2 DESAMBRA 2016
PANAMA

Nandravarava Tany Amerika Afovoany ny Rivo-doza Otto

Nandravarava Tany Amerika Afovoany ny Rivo-doza Otto

Nisy rivo-doza atao hoe Otto tany Costa Rica sy Nikaragoà ary Panama, tamin’ny 23 Novambra 2016. Nisy oram-be tamin’izay ka nisy tondra-drano sy tany nihotsaka. An’arivony ny olona tsy maintsy nafindra toerana. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty na naratra tany Costa Rica sy Nikaragoà, raha araka ny tatitra voaray tamin’ny voalohany indrindra. Vavolombelon’i Jehovah iray kosa no naratra tany Panama, ary mpivady iray no maty noho ny tany nihotsaka. Nanao fandaharana àry ireo Vavolombelona mba hampaherezana an’ireo tra-boina sy hanampiana azy ireo.

Manara-maso akaiky an’ilay zava-mitranga ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny foiben’izy ireo any New York. Homen’izy ireo alalana ny komitin’ny vonjy rano vaky any, mba hampiasa ny vola fanomezana ho an’ny asa fitoriana ataon’izy ireo maneran-tany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-845-524-3000

Costa Rica: Pedro José Novoa Vargas, 506-8302-8499

Nikaragoà: Guillermo José Ponce Espinoza, 505-8856-1055

Panama: Dario Fernando De Souza, 507-6480-3770