Hijery ny anatiny

1 DESAMBRA 2020
PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

Navoaka Tamin’ny Teny Hiri Motu ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Hiri Motu ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny hiri motu ny Rahalahy Kegawale Biyama, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Papouasie-Nouvelle-Guinée. Noraisina video mialoha tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Port Moresby ilay fandaharana ary mpanatrika 7 000 mahery no nijery an’ilay izy, tamin’ny 28 Novambra 2020.

Fiteny 840 eo ho eo no ampiasaina any Papouasie-Nouvelle-Guinée. Any no ahitana olona mampiasa fiteny betsaka indrindra eran-tany. Telo ny fiteny ofisialy any ary anisan’izany ny hiri motu, izay ampiasain’ny olona 140 000 eo ho eo.

Nilaza ny Rahalahy Kukuna Jack, anisan’ny Komitin’ny Sampana, hoe: “Efa ela mihitsy no niandry an’io Baiboly io ireo mampiasa ny teny hiri motu. Azo antoka hoe ho tian-dry zareo ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao satria tsotra sy mora azo.”

Mpandika teny enina no nandika an’io Baiboly io nandritra ny folo taona. Hoy ny iray amin’izy ireo: “Tena ho faly be izao ny mpamaky rehefa mahita hoe misy ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy. Tena misaotra an’i Jehovah izahay amin’ity fanomezana ity!”

Asa be ny nandika an’io Baiboly io. Miombon-kevitra amin’i Isaia mpaminany isika rehefa mieritreritra ny asa tafiditra tamin’izany. Hoy izy: “Hampihatra ny rariny ianao, Jehovah ô, mba hanomezana fiadanana ho anay, satria noho ianao no mahatomombana izay rehetra ataonay.”—Isaia 26:12.