20 AOGOSITRA 2019
PARAGOAY
Namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Fiteny Guarani ny Vavolombelon’i Jehovah
Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra natao tao amin’ny efitrano ao amin’ny Betela ao Capiatá, Paragoay, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 16 Aogositra 2019. Ny Rahalahy Daniel González, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Paragoay no namoaka an’ilay Baiboly, ny andro voalohany tamin’ilay fivoriambe. Nampitaina mivantana tany amin’ny toerana 13 ilay fandaharana, ka nahatratra 5631 ny fitambaran’ny mpanatrika.
Mahay teny espaniola ny olona manerana an’i Paragoay, nefa tombanana ho ny 90 isan-jaton’ny mponina no miteny guarani, izay anisan’ny fitenin-drazan’ny olona any. I Paragoay irery no firenena toy izany any Amerika Latinina.
Voamariky ny mpandika teny iray hoe na dia talohan’ny nahazoan’izy ireo an’io Baiboly vaovao io aza, dia efa nivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny fiteny guarani, fitenin-drazany, ny mpiara-manompo maro. Hoy izy: “Miresaka amintsika amin’ny fiteny guarani izao i Jehovah. Efa tsapanay hoe tia sy manaja anay i Jehovah, nefa vao mainka tsapako hoe Raiko izy.”
Azo antoka hoe hahasoa an’ireo mpitory 4934 miteny guarani any Paragoay io Baiboly io. Vao mainka izy ireo ho tia sy hankasitraka an’i Jehovah sy ny fandaminany. Matoky koa isika hoe hanampy ny mpamaky handray soa amin’ireo hevitra sarobidy avy amin’Andriamanitra io Baiboly io.—Salamo 139:17.