Hijery ny anatiny

17 OKTOBRA 2019
PEROA

Ezaka Manokana Hitoriana Amin’ny Olona Miteny Aymara any Puno, Peroa

Ezaka Manokana Hitoriana Amin’ny Olona Miteny Aymara any Puno, Peroa

Nandamina ezaka manokana ny sampan’i Peroa tamin’ny 1 Mey ka hatramin’ny 31 Aogositra 2019 mba hitoriana amin’ny Perovianina miteny aymara. Tena nahomby ilay fitoriana satria boky 7893 no voazaran’ny mpitory, nampiseho video in-2500 teo ho eo izy ireo, ary fampianarana Baiboly 381 no natomboka.

Olona 450000 eo ho eo no miteny aymara any Peroa, ary efa ho ny 300000 amin’izy ireo no mipetraka any amin’ny faritr’i Puno. Fiangonana fito sy antoko-mpitory valo izao no miteny aymara, ary 331 ny mpitory. Nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana koa ny mpitory miteny aymara avy any Silia satria tena lehibe ilay faritany raha oharina amin’ny isan’ny mpitory ao Peroa. Avo be ny toerana sasany sady mangatsiaka be, indraindray mahatratra 5000 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina, ary mahatratra zero degre ny mari-pana. Tsy maintsy nankeny amin’ny toerana toy izany ny mpitory mba hitoriana amin’ny olona miteny aymara.

Tonga tao amin’ny toerana iray ny mpitory vitsivitsy rehefa avy nandeha nandritra ny ora maro. Nisy mpandevina avy any amin’ny tanàna hafa koa tao tamin’izay. Afaka niresaka mahakasika ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny maty àry ny mpitory. Nisaoran’ny manam-pahefana sy ny havan’ny maty ny mpitory satria nanao ezaka be izy ireo mba hiresahana hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly.

Nisy antokon’olona nivory indroa isan-kerinandro tany amin’ny toerana iray hafa, mba hiara-mianatra Baiboly. Hitan’ny mpitory hoe ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly no nianaran’izy ireo. Azon’izy ireo tamin’ny havany tany Bolivia ireo boky ireo. Raha vao fantatr’izy ireo fa ny fandaminantsika no namoaka an’ireo boky ireo, dia nianatra Baiboly tamin’ny mpitory ny maro taminy sady nanatrika ny fivoriantsika.

Hoy ny Rahalahy Albert Condor, anti-panahy nitarika ekipana mpitory iray: “Faly be izahay mivady fa afaka nandray anjara tamin’ity ezaka manokana ity. Nanatanjaka ny finoanay an’i Jehovah ilay izy. Rehefa niainga mantsy izahay, dia tsy hainay tsara hoe ahoana no hahatongavana any amin’ilay toerana satria sarotsarotra ihany ny lalana. Rehefa tonga indray izahay dia nivavaka mba hampian’i Jehovah hahita toerana hilasiana, dia nampiany tokoa izahay! Nanatanjaka ahy ireny vavaka ireny. Nanatanjaka ahy koa ny nahita hoe tena niantehitra tamin’i Jehovah ny mpitory hafa.”

Faly ny rahalahy sy anabavy rehefa nitory tamin’ny olona miteny aymara any Puno, Peroa. Afaka nizara ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay ahazoana fiainana mandrakizay, izy ireo.—Apokalypsy 22:17.