Hijery ny anatiny

Lalana rakotry ny rano ao amin’ny tanànan’i Piura. Sary kely eo ankavia: Mpiasa an-tsitrapo manamboatra ny tranon’ny rahalahy iray ao Cieneguilla. Sary kely eo ankavanana: Fianakaviana tra-boina ampaherezin’ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana

12 APRILY 2023
PEROA

Namely ny Morontsirak’i Peroa ny Sikilaonina Yaku

Namely ny Morontsirak’i Peroa ny Sikilaonina Yaku

Namely ny morontsiraky ny faritra avaratr’i Peroa ny Sikilaonina Yaku, tamin’ny fiandohan’ny volana Martsa 2023. Nanorana be foana sy nisy tany nihotsaka tany nandritra ny roa andro, dia lasa tao anaty hamehana ny faritra avaratra sy afovoanin’i Peroa. Sarotra tamin’ny olona ny niala tao amin’ireo faritra ireo, satria betsaka ny trano sy ny tetezana ary ny lalana simban’ny tondra-drano.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty

  • 2 ny mpitory naratra

  • 106 ny mpitory nafindra toerana

  • 70 ny trano simba be

  • 130 ny trano simba kely

  • 5 ny Efitrano Fanjakana simba be

  • 5 ny Efitrano Fanjakana simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Mampahery an’ireo tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy, ary manome izay fanampiana ilain-dry zareo

  • 3 ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky notendrena handamina ny fanampiana tra-boina

Matoky isika fa manampy an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Peroa i Jehovah, amin’izay ry zareo mahavita ‘miaritra ny zava-drehetra, sady manam-paharetana sy falifaly.’​—Kolosianina 1:11.