Hijery ny anatiny

19 AOGOSITRA 2019
PEROA

Nampitombo ny Fampirantiana Nataony ny Vavolombelon’i Jehovah any Peroa Nandritra ny Hetsika Ara-panatanjahan-tena Tany

Nampitombo ny Fampirantiana Nataony ny Vavolombelon’i Jehovah any Peroa Nandritra ny Hetsika Ara-panatanjahan-tena Tany

Misy rahalahy sy anabavy 3000 eo hoe eo mandray anjara amin’ny ezaka manokana mba hampitomboana ny fampirantiana, mandritra ny Pan American Games sy Parapan American Games any Lima, any Peroa. Nanomboka tamin’ny 26 Jolay 2019 ireo hetsika ara-panatanjahan-tena ireo ary hifarana amin’ny 1 Septambra. Mpilalao 8500 mahery no mandray anjara amin’izany ary tombanana ho 250000 ny mpizaha tany ho avy.

Mampiasa tabilao fampirantiana 100 any amin’ny toerana 53 ny mpitory satria be dia be ny olona mifamezivezy. Mampiasa boky amin’ny fiteny aymara, anglisy, espaniola, frantsay, portogey, ary quechua (Ayacucho) izy ireo. Asiana video amin’ny tenin’ny tanana perovianina koa eny amin’ireo fampirantiana ireo satria misy marenina sy tsy mandre tsara amin’ireo mpandalo.

Hoy ny Rahalahy Kemps Moran Hurtado, anisan’ny mpikarakara an’ilay ezaka manokana: “Manampy anay hitory amin’ny olona samy hafa fiaviana sy kolontsaina ity ezaka manokana ity. Olona avy any amin’ny firenena samihafa mantsy no tonga hanatrika an’ireo hetsika ara-panatanjahan-tena ireo. Lafiny lehibe amin’ny asa fampianarana Baiboly ataontsika ny fampirantiana. Izay no fomba hahitan’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah mitory eny amin’ny toerana be olona.”

Faly be isika maheno hoe mampitombo ny fanompoany ny rahalahy sy anabavintsika any Peroa. Matoky isika fa hotahin’i Jehovah foana ny asa mafy ataon’izy ireo mba hitoriana na aiza na aiza toerana mety hahitana olona.—Asan’ny Apostoly 17:17.