Hijery ny anatiny

Solontena roa avy amin’ny Ambasadin’i Tailandy (afovoany havanana) tao amin’ny biraon’ny sampan’i Peroa, miaraka amin’ny olona sasany avy ao amin’ny biraon’ny sampana sy Vavolombelona hafa.

9 OKTOBRA 2018
PEROA

“Tena Mankasitraka sy Midera” ny Vavolombelon’i Jehovah any Peroa ny Ambasadin’i Tailandy Satria Manampy ny Gadra Tailandey Izy Ireo

“Tena Mankasitraka sy Midera” ny Vavolombelon’i Jehovah any Peroa ny Ambasadin’i Tailandy Satria Manampy ny Gadra Tailandey Izy Ireo

Nitsidika ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Lima, renivohitr’i Peroa, ny solontenan’ny Ambasadin’i Tailandy any, tamin’ny 26 Jona 2018. Manampy an’ireo Tailandey migadra any Peroa mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah ka te hisaotra azy ireo ny solontenan’ny ambasady.

Tamin’ny 2007 no nanomboka nampianatra Baiboly tany am-ponja ny Vavolombelon’i Jehovah any Peroa. Tamin’ny 2013 kosa izy ireo no nanomboka nitsidika fonja nisy Tailandey. Gaga ilay kaonsily tailandey rehefa nahita an’izany, ka nantsoiny ny biraon’ny sampana satria te ho any izy.

Rahalahy sy anabavy mivoaka avy ao amin’ny fonja iray rehefa avy nampianatra Baiboly tao.

Ireto avy no solontena avy any amin’ny ambasady: Atoa Angkura Kulvanij, chargé d’affaires a.i., Atoa Pathompong Singthong, sekretera voalohany/kaonsily, ary Rtoa Pradthana Pongudom, mpanampy ny kaonsily. Niaraka tamin’ny rahalahy sasany anisan’ny Komitin’ny Sampana izy ireo rehefa nitsidika ny sampana. Hitan’izy ireo ny asa mafy atao amin’ny fandikan-teny, anisan’izany ny fandikana ny bokintsika ho amin’ny fiteny sivy eo an-toerana.

Solontenan’ny Ambasadin’i Tailandy, mijery rahalahy mandika ny bokintsika ho amin’ny tenin’ny tanana perovianina.

Nanome taratasy ho an’ny biraon’ny sampana ilay ambasady ary nolazainy tao hoe “tena mankasitraka sy midera” ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Hitan’izy ireo mantsy hoe karakarain’ny Vavolombelon’i Jehovah “ny sahirana sy ny ory any Peroa, na inona na inona fivavahany na kolontsainy.” Nolazain’izy ireo tao koa hoe “miasa mafy ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny sampan’i Peroa, sady manampy ny gadra tailandey mba ho maivamaivana ny fahoriany ary mba ho tsaratsara kokoa ny fiainany.”

Hita avy amin’izay niainan’ireo rahalahy any Peroa hoe misy vokany tsara foana rehefa mitory momba ny Baiboly amin’ny karazan’olona rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah.—1 Korintianina 9:22.