Hijery ny anatiny

30 MARTSA 2017
PEROA

Tondra-drano sy Tany Mihotsaka any Peroa

Tondra-drano sy Tany Mihotsaka any Peroa

Nisy tondra-drano sy tany nihotsaka tany amin’ny faritra 24 tany Peroa, satria avy be loatra ny orana. Faritra iray sisa no tsy tratran’ilay loza. Voalaza anefa fa mety mbola hitohy ilay oram-be. Desambra ka hatramin’ny Martsa ny vanim-potoanan’ny orana any. Tafakatra avo folo heny noho ny hatramin’izay anefa ny rotsakorana tamin’ity indray mandeha ity. Miezaka manampy an’izay tra-boina ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny mpiara-mivavaka aminy.

Nahatratra 530 mahery ny tranona Vavolombelon’i Jehovah simba, ary 6 kosa ny Efitrano Fanjakana. Niakatra be ny rano tany Huarmey, 288 kilaometatra avy eo Lima renivohitra, ka be dia be ny Vavolombelona tsy maintsy niakatra teny ambony tafo.

Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky miisa valo ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Peroa, mba hikarakarana an’izay Vavolombelona tra-boina. Anisan’izany ireo Vavolombelona any amin’ireo faritra 12 tena voa mafy. Sakafo 22 taonina sy rano 22000 litatra mahery no nalefa ho azy ireo. Mbola hisy sakafo 48 taonina sy rano 9000 litatra mahery halefa tsy ho ela. Vavolombelona an-jatony any Peroa no nirotsaka an-tsitrapo mba hanampy amin’ny fanadiovana sy ny fanamboarana an’izay simba.

Nanohana ny fanampiana an’ireo tra-boina koa ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia, ka ny vola fanomezana ho an’ny asa fitoriana maneran-tany no nampiasain’izy ireo tamin’izany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Peroa: Norman R. Cripps, +51-1-708-9000