Hijery ny anatiny

Cynthia (ankavia), mpitory tsy vita batisa jamba sy marenina; sary nalaina tamin’ny mbola tsy nisy an’ilay valanaretina COVID-19. Miresaka amin’ny tenin’ny tanan’ny jamba sy marenina izy sy ny anabavy iray ao amin’ny fiangonana misy azy.

12 MEY 2020
PHILIPPINES

Ampian’ny Fiangonana Misy Azy ny Anabavy Iray Jamba sy Marenina, Amin’izao Valanaretina Izao

Ampian’ny Fiangonana Misy Azy ny Anabavy Iray Jamba sy Marenina, Amin’izao Valanaretina Izao

Mpitory tsy vita batisa ny Anabavy Cynthia Pablo. Efa 64 taona izy, ary mivory ao amin’ny Fiangonana Tenin’ny Tanana any Panghulo, any Philippines. Sady jamba izy no marenina, ary zara raha manam-bola ivelomana. Miara-mipetraka amin’ny havany tsy Vavolombelona any amin’ny tanàna iray be mponina any Valenzuela izy. Efa sarotra foana ny fiainan’i Cynthia hatramin’izay, fa vao mainka izao mitombo ny olana atrehiny noho ilay valanaretina. Manampy azy àry ny rahalahy ao amin’ny fiangonana misy azy.

Rahalahy Ilumin, mitondra akanjo madio sy fanampiana ho an’i Cynthia amin’ny môtôny

Mety ho mora voan’ny COVID-19 i Cynthia satria efa be taona. Lasa sahirana be koa izy manasa ny lambany satria tsy ampy ny rano eny an-tanànan-dry zareo noho ilay valanaretina. Tamin’ny mbola tsy nisy an’ity valanaretina ity, dia nisy anabavy tao amin’ny fiangonany tonga nanampy nanasa ny lamban’i Cynthia. Tsy afaka mankany aminy intsony anefa ry zareo izao, satria mbola mihatra ny toromarika nomen’ny fanjakana momba ny fihibohana.

Nahazo alalana manokana avy any amin’ny manam-pahefana anefa ny Rahalahy Walter Ilumin, anti-panahy ao amin’ny fiangonan-dry Cynthia, ka afaka mivoaka ny trano dia manampy an’i Cynthia. Izay olona manao karazana asa tena ilaina ihany no mahazo an’io alalana manokana io. I Walter no mitondra sakafo sy izay zavatra hafa ilain’i Cynthia, dia izy koa no manasa ny lambany. Arahin’i Walter tsara daholo ny toromarika avy amin’ny manam-pahefana. Manao aro tava foana, ohatra, izy, dia manao akanjo na zavatra hafa miaro azy, ary manasa tanana matetika.

Mandefa hafatra fohy atao video i Cynthia mba hisaorana ny mpiara-manompo. Ampijeren’ny Rahalahy Ilumin ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana ilay video avy eo.

Cynthia nandeha nitory, talohan’ilay valanaretina

Mankany an-tranon’i Cynthia koa i Walter mba handika ny fivoriana amin’ny tenin’ny tanan’ny jamba sy marenina. Manao fivoriana amin’ny alalan’ny video mantsy ny fiangonan-dry zareo. Lasa afaka mandray anjara amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana foana i Cynthia vokatr’izany. Mampahery an’izay rehetra manatrika fivoriana ny valin-teny omeny, mandritra an’ireo fivoriana atao amin’izao fotoan-tsarotra izao.

Matoky isika fa faly be i Jehovah mahita hoe mifampahery sy mifanohana foana isika vahoakany, sady vao mainka miezaka manao an’izany satria “hitantsika hoe manakaiky ny andro.”—Hebreo 10:24, 25.