Hijery ny anatiny

20 JANOARY 2020
PHILIPPINES

Atahorana Hipoaka ny Volkano Iray any Philippines

Atahorana Hipoaka ny Volkano Iray any Philippines

Nisy lavenona be tafakatra hatrany amin’ny 14 kilaometatra eny amin’ny lanitra, nivoaka avy tao amin’ny volkano Taal, any Batangas, Philippines, tamin’ny 12 Janoary 2020. Nampitandreman’ny manam-pahefana ny mponina eny akaikin’ilay volkano satria atahorana hipoaka sy hampidi-doza olona maro ilay izy. Mipoaka imbetsaka kokoa noho ny volkano hafa io volkano io ka olona an’aliny teny akaiky teny no tsy maintsy nifindra toerana.

Rahalahy sy anabavy 500 mahery izao no efa nifindra any amin’ny toerana azo antoka, ohatra hoe any amin’ny Efitrano Fanjakana na any an-tranon’ny mpiara-manompo. Tsy nisy rahalahy na anabavy naratra. Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny Komitin’ny Sampana mba hikarakara an’izay ilain’ireo mpiara-manompo tra-boina ireo.

Mivavaka isika mba hitoky amin’i Jehovah foana ny mpiara-manompo amintsika any Philippines, satria “fialofana sy hery ho antsika” izy.—Salamo 46:1-3.