22 DESAMBRA 2021
PHILIPPINES
Mandravarava An’i Philippines ny Rivo-doza Rai
Nandalo tany amin’ny faritra maromaro tany Philippines ny Rivo-doza Rai (Odette no iantsoana azy any) tamin’ny 16 ka hatramin’ny 18 Desambra 2021. Nahatratra 195 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ny rivotra, raha vao nanomboka namely ny Nosy Siargao ilay rivo-doza. Nandravarava be ilay izy tany amin’ny faritra avaratr’i Mindanao sy ny faritra atsimon’i Luçon ary tany Visayas.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mampalahelo fa mpitory 4 no maty
Misy mpitory 1 mbola tsy hita
Rahalahy sy anabavy 12 no naratra
Mpitory 2 000 mahery no nafindra toerana
Trano 246 no rava
Trano 327 no simba be
Trano 1 174 no misy simba kely
Efitrano Fanjakana 43 no misy simba kely
Fanampiana tra-boina
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 6 no natsangana mba handamina ny fanampiana tra-boina
Miezaka ny anti-panahy any mba hampahery ny tra-boina, anisan’izany ireo namoy havana
Manaraka ny toromarika fiarovana amin’ny COVID-19 daholo izay mandray anjara amin’ny fanampiana tra-boina
Nanome sakafo sy akanjo ho an’ny mpitory tra-boina ny rahalahy sy anabavy tany amin’ny faritra hafa tsy nandalovan’ilay rivo-doza, ary ny anti-panahy no nandamina ny fikarakarana an’ilay fanampiana. Tonga dia nozaraina tamin’izay fianakaviana nila fanampiana tany Surigao ny sakafo nalefan’ny mpiara-manompo avy any Davao.
Malahelo isika hoe namoy ny ainy tamin’iny loza iny ny sasany tamin’ny rahalahy sy anabavy malalantsika. “Fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” marina no iainantsika amin’izao, ka miantehitra amin’i Jehovah foana isika mba hampionona sy hampahery antsika.—2 Timoty 3:1.