Hijery ny anatiny

Roa amin’ireo Efitrano Fanjakana tratran’ilay rivo-doza any Manille, Philippines

5 AOGOSITRA 2024
PHILIPPINES

Nahatonga Tondra-drano Be Tany Philippines Ilay Rivo-doza Gaemi

Nahatonga Tondra-drano Be Tany Philippines Ilay Rivo-doza Gaemi

Niforona tany amin’ny faritra andrefan’ny Oseana Pasifika ny Rivo-doza Gaemi a tamin’ny faramparan’ny Jolay 2024. Na dia tsy tonga hatrany Philippines aza io rivo-doza io, dia niteraka oram-be nandravarava sy tondra-drano ary fihotsahan’ny tany tany Manille sy ny manodidina. Olona 4,8 tapitrisa teo ho eo no tratran’ilay loza. Misy 600 000 no nafindra toerana, ary 39 fara fahakeliny no maty.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra

  • Mpitory 155 no nafindra toerana, ary efa nody izy ireo izao

  • Trano 2 no potika

  • Trano 11 no simba be

  • Trano 42 no nisy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 11 no nisy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 6 no natsangana mba handamina ny fanampiana tra-boina

  • Mikarakara an’izay ilain’ireo tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy, sady mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly

Ankavia: Rahalahy sy anabavy manomana fanampiana (ambony) sy rano fisotro madio (ambany) ho an’ireo tra-boina

Ankavanana: Rahalahy manatitra fanampiana ho an’ny anabavy iray tra-boina

Mivavaka ho an’ireo tra-boina vokatr’iny rivo-doza iny isika. Mankasitraka an’i Jehovah koa isika satria manohana sy mikarakara an’ireo rahalahy sy anabavintsika izy, ka mahatonga antsika “hilamina sy tsy hitebiteby.”​—Isaia 33:6.

a Rivo-doza Mahery Carina no iantsoana azy any Philippines.