Hijery ny anatiny

2 JANOARY 2020
PHILIPPINES

Namely An’i Philippines ny Rivo-doza Phanfone

Namely An’i Philippines ny Rivo-doza Phanfone

Niditra an-tanety tany amin’ny faritra atsinanan’i Samar ny Rivo-doza Phanfone, izay antsoina koa hoe Ursula, tamin’ny 24 Desambra 2019. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty na naratra saingy trano 464 ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy Efitrano Fanjakana 6 no simba. Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky dimy ny sampan’i Philippines mba hikarakara an’izay ilain’ny mpiara-manompo any amin’ireo nosy sy hampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly.

Io Rivo-doza Phanfone io no rivo-doza faha-21 namely an’i Philippines tamin’ny 2019. Vao nisy horohoron-tany maromaro koa namely ny faritra atsimo, vao haingana. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 18 àry no miasa amin’izao fotoana izao.

Faly isika hoe mbola miaritra foana ny mpiara-manompo amintsika any Philippines sady mitoky amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra ‘be fitiavana sady mamindra fo.’—Jakoba 5:11.