Hijery ny anatiny

Ny roa amin’ireo trano telo an’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay simba be.

22 JANOARY 2019
PHILIPPINES

Namely ny Faritra Atsinanan’i Philippines ny Rivo-doza ka Nisy Ranotrambo sy Tany Nihotsaka

Namely ny Faritra Atsinanan’i Philippines ny Rivo-doza ka Nisy Ranotrambo sy Tany Nihotsaka

Niditra an-tanety tao Samar ny Rivo-doza Usman, tamin’ny 29 Desambra 2018. Io no nosy fahatelo lehibe indrindra any Philippines. Avy be ny orana ka nisy tany nihotsaka sy ranotrambo. Olona 25, fara fahakeliny, no maty ary 42 no naratra. Trano 22835 kosa no simba.

Nilaza ny sampan’i Philippines fa tsy nisy rahalahy na anabavy maty tamin’ilay loza. Trano telo an’ny mpiara-manompo kosa no rava ary efatra no simba. Nisy simba koa tamin’ny Efitrano Fanjakana iray. Nanaraka ny toromariky ny sampana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ary nanome fanampiana sy trano vonjimaika ho an’ny fianakaviana tra-boina.

Azontsika antoka hoe mitoky amin’i Jehovah foana ireny rahalahy sy anabavintsika tratran’ny loza ireny, satria fantany fa hampahery sy hanatanjaka azy i Jehovah.—1 Petera 5:10.