Hijery ny anatiny

Betsaka ny tany nihotsaka sy ny lalana tapaka ary ny trano rava, noho ny fandalovan’ny Rivo-doza Trami

31 OKTOBRA 2024
PHILIPPINES

Nandravarava An’i Philippines ny Rivo-doza Trami

Nandravarava An’i Philippines ny Rivo-doza Trami

Nandravarava eran’i Philippines ny Rivo-doza Trami, a tamin’ny 21 Oktobra 2024. Vao mainka nahazo hery ilay rivo-doza rehefa nianavaratra, ka nahatratra 160 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany. Nitondra rivo-mahery sy oram-be izy io, ka betsaka ny faritra nisy tany nihotsaka sy tratran’ny tondra-drano. Vokatr’izany dia be dia be ny trano rava sy ny lalana tapaka. Tapaka koa ny jiro sy ny rano. Tsy maintsy nafindra toerana ny iray tapitrisa teo ho eo tamin’ireo mponina enina tapitrisa mahery tao amin’ilay faritra niharan-doza. Olona 126, fara fahakeliny, no namoy ny ainy.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mampalahelo fa maty ny anabavy iray

  • 747 ny mpitory tsy maintsy nafindra toerana

  • Trano 7 no rava

  • Trano 24 no simba be

  • Trano 128 no simba kely

  • Efitrano Fanjakana 8 no simba kely

Fanampiana tra-boina

Rahalahy sy anabavy nanampy tamin’ny fanampiana tra-boina tany Laurel, Faritanin’i Batangas, any Philippines

  • Mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy eo an-toerana, sady manome an’izay ilain-dry zareo

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 5 no voatendry handamina ny fanampiana tra-boina

Malahelo isika fa be dia be ny olona maty sy ny zavatra simba vokatr’iny rivo-doza mahery iny. Soa fa mampanantena ny Baiboly hoe tsy hisy intsony ireny mandrakizay.​—Isaia 25:8.

a Rivo-doza Kristine no niantsoana azy io tany Philippines.