Hijery ny anatiny

3 APRILY 2019
PHILIPPINES

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Fiteny Telo any Philippines ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Fiteny Telo any Philippines ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nisy fivoriana manokana maromaro natao nandritra ny volana Janoary 2019. Navoakan’ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ireo fivoriana ireo ny Baiboly amin’ny fiteny cebuano sy tagalog ary waray-waray. Tao amin’ny Hoops Dome, any Lapu-Lapu, no navoaka ilay Baiboly amin’ny fiteny cebuano, tamin’ny 12 Janoary. Ny ampitson’iny kosa no navoaka ilay amin’ny fiteny waray-waray, tao amin’ny Leyte Academic Center, any Palo, Leyte. Ilay amin’ny fiteny tagalog indray navoaka tamin’ny 20 Janoary, tao amin’ny Efitrano Fivoriambe any Grand Manille, any Quezon.

Fianakaviana iray nahazo Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny fiteny cebuano.

Narahina mivantana avy tany amin’ny Efitrano Fanjakana an-jatony ireo fandaharana ireo. Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 163000 mahery no nozaraina.

Hoy ny Rahalahy Dean Jacek, ao amin’ny biraon’ny sampan’i Philippines: “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina ilay amin’ny fiteny cebuano sy tagalog. Telo taona mahery avy no nikarakarana azy ireo. Ho an’ny fiteny waray-waray kosa, dia Ny Soratra Grika Kristianina ihany no nisy taloha, fa izao vao misy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo. Dimy taona mahery no niasana tamin’ilay izy.”

Ny 60 isan-jato maherin’ny mponina any Philippines no miteny cebuano na tagalog na waray-waray. Tafiditra amin’izany ny rahalahy sy anabavy efa ho 160000 sy ny mpianatra Baiboly 197000 mahery. An’aliny koa ny olona mampiasa an’ireo fiteny ireo nefa tsy mipetraka any Philippines. Afaka mahita ny zavatra mampiavaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ireo fiteny ireo koa izao izy ireny.

Mipetraka any Etazonia, ohatra, ny Anabavy Donica Jansuy, ary manatrika fivoriana amin’ny teny tagalog. Hoy izy, rehefa avy naka an’ilay Baiboly vaovao tao amin’ny Internet: “Tena tsotra sy mazava be ny teny ao amin’ilay Baiboly nohavaozina amin’ny fiteny tagalog, dia mora azo kely. Hoatran’ny hoe miresaka amiko mivantana mihitsy i Jehovah, dia mora milatsaka any am-poko izay vakiko ao amin’ny Baiboly.”

Efa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fiteny 179 izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy. Isaorantsika i Jehovah satria ampiany hamoaka Baiboly mazava tsara ny vahoakany, mba hampiasain’ny rahalahy sy anabavy ary ny olona itorian’izy ireo.—Asan’ny Apostoly 13:48.