Hijery ny anatiny

Ny iray amin’ireo trano 195 an’ny mpiara-manompo, izay simba be

18 NOVAMBRA 2019
PHILIPPINES

Nisesisesy ny Horohoron-tany Namely ny Faritra Atsimon’i Philippines

Nisesisesy ny Horohoron-tany Namely ny Faritra Atsimon’i Philippines

Nisy horohoron-tany mahery vaika nisesisesy namely ny faritra atsimon’i Philippines, nanomboka tamin’ny 16 Oktobra 2019. Olona 21 no maty, 400 mahery no naratra, ary 35000 mahery no tsy maintsy niala tamin’ny tranony. Ny telo tamin’ireo horohoron-tany ireo, fara fahakeliny, no nirefy 6,0 mahery amin’ny maridrefy Richter. Mbola mihovotrovotra ny tany, any amin’iny faritra iny. Tsy nisy maty ny mpiara-manompo amintsika saingy anabavy iray no naratra kely.

Efitrano Fanjakana 4 sy trano 195 ipetrahan’ny mpiara-manompo no simba be, ary Efitrano Fanjakana 9 sy trano 351 no simba kely. Maro amin’ny mpiara-manompo amintsika no mipetraka amin’ny tranolay satria mampidi-doza ny tranony.

Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky roa ny biraon’ny sampan’i Philippines mba handamina ny fanampiana tra-boina. Tonga any amin’iny toerana iny koa ny rahalahy enina solontenan’ny sampana, anisan’izany ny rahalahy telo anisan’ny Komitin’ny Sampana, mba hampahery ny mpiara-manompo tra-boina.

Mivavaka ho an’ny mpiara-manompo amintsika tratran’ireny horohoron-tany ireny isika mba hampian’i Jehovah foana izy ireo.—Salamo 70:5.