23 NOVAMBRA 2023
PHILIPPINES
Nisy Horohoron-tany Nahery Vaika Tany Amin’ny Faritra Atsimon’i Philippines
Nisy horohoron-tany nirefy 6,7 amin’ny maridrefy Richter namely ny faritra atsimon’i Philippines, tamin’ny 17 Novambra 2023. Tany amin’ny 26 kilaometatra teo ho eo tany atsimon’ny Nosy Mindanao ilay izy no nitranga. Be dia be ny trano simba tany amin’ny faritr’i Davao sy tao amin’ny tanànan’i General Santos, ary tany amin’ny faritanin’i Sarangani. Simba, ohatra, ny tranom-panjakana, sekoly, trano lehibe fivarotana ary tranon’olona maro hafa.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mampalahelo fa nisy anabavy 1 maty
Rahalahy sy anabavy 10 no naratra, anisan’izany ny anabavy iray vadina mpiandraikitra ny faritra, ary nampidirina hopitaly izy. Efa mihasalama anefa io anabavy io izao
Trano 4 no simba be
Trano 4 no simba kely
Efitrano Fanjakana 2 no simba kely
Fanampiana tra-boina
Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray notendrena mba hikarakara an’ireo tra-boina
Manohy mitsidika sy mampahery an’ireo tratran’ilay loza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy
Mivavaka ho an’ny mpiara-manompo tratran’iny horohoron-tany iny isika, sady misaotra an’ireo mikarakara azy ireny. Matoky isika fa na dia amin’izao andro feno zava-tsarotra sy korontana izao aza, dia hanome antsika hery hiaretana i Jehovah, ilay Vatolampintsika.—1 Samoela 2:2.