12 NOVAMBRA 2020
PHILIPPINES
Rivo-doza Roa Nandravarava Tany Amin’ny Faritra Sasany any Philippines
Toerana
Faritra atsimon’i Luçon sy ireo nosy manodidina azy
Zava-nitranga
Namely ny faritanin’i Albay (faritr’i Bicol), any Luçon, any Philippines, ny Rivo-doza Molave, tamin’ny 25 Oktobra 2020. Quinta no iantsoana an’io rivo-doza io any Philippines. Nandalo tany amin’ny faritra rehetra nanerana ny nosy Luçon io rivo-doza mahery vaika io, taorian’izay
Tafiditra an-tanety tany Catanduanes, nosy iray hafa any amin’ny faritr’i Bicol, any Luçon, ny Rivo-doza Goni, tamin’ny 1 Novambra 2020. Rolly no iantsoana an’io rivo-doza mahery io any Philippines, ary sokajy fahadimy no misy azy. Nandravarava tany amin’ireo faritra hafa efa simban’ny Rivo-doza Molave izy io, taorian’izay
Nitondra rivo-mahery sy oram-be ireo rivo-doza roa ireo, ka tondraka be ny rano ary tapaka ny jiro sy rano tany amin’ny faritra maro. Mbola sarotra ny fifandraisana any amin’ireo toerana nandalovan’ny rivo-doza ireo, satria tsy mandeha ny telefaonina sy ny Internet
Lasa nisy riakam-potaka volkano koa teo amin’ny Tendrombohitra Mayon vokatr’ilay oram-be, ka betsaka ny trano simba teny akaikin’ilay tendrombohitra
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mpitory an-jatony no tsy maintsy nafindra toerana
Anabavy iray 89 taona no naratra kely rehefa niala tao an-tranony, ary rava tanteraka ilay tranony
Zavatra simba
Trano 134 sy Efitrano Fanjakana 8 no nisy simba kely
Trano 75 sy Efitrano Fanjakana 8 no simba be
Trano 101 sy Efitrano Fanjakana 1 no rava tanteraka
Fanampiana tra-boina
Miara-miasa amin’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky enina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy eo an-toerana mba hanampiana ny rahalahy sy anabavy hahazo sakafo ampy tsara, rano, trano ipetrahana, ary zavatra hafa tena ilaina. Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 foana ireo rahalahy rehefa mizara fanampiana sy mampahery an’ireo tra-boina
Mivavaka foana ho an’ireo mpiara-manompo tra-boina ireo isika. Matoky isika hoe ho “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” ho an’ireny rahalahy sy anabavintsika ireny i Jehovah, amin’izao fotoan-tsarotra izao.—2 Korintianina 1:3.