Hijery ny anatiny

Tranon’ny mpiara-manompo amintsika kilan’ny afo, any Taguig, Grand Manille

21 MEY 2019
PHILIPPINES

Trano Maro no Kilan’ny Afo any Philippines

Trano Maro no Kilan’ny Afo any Philippines

Trano 128 no kilan’ny afo tany Calbayog, any amin’ny Nosy Samar, any Philippines, tamin’ny Martsa 2019. Efa nisy afo nirehitra koa tany Taguig, any amin’ny nosin’i Luzon, ny volana Febroary. Raha atambatra dia trano fito an’ny Vavolombelon’i Jehovah no kilan’ireo afo ireo. Mipetraka any amin’ny mpiara-manompo tsy tratran’ny afo izao ny rahalahy sy anabavy tra-boina.

Nanao fandaharana avy hatrany ny biraon’ny sampana mba handefasana sakafo sy rano ary akanjo. Nampahery an’ireo mpiara-manompo tratran’ilay loza ny anti-panahy sady nanampy azy ireo. Miara-miasa izao ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky roa sy ny mpanao fanorenana, ary efa miomana hanorina ny tranon’ny mpiara-manompo.

Matoky isika hoe ho afaka hialoka amin’i Jehovah foana ireo mpiara-manompo tratran’ny loza ireo.—Salamo 62:8.