26 APRILY 2021
PHILIPPINES
Voaresaka Nandritra ny Fihaonambe Iraisam-pirenena 2021 Momba ny Fitenin-drazana ny Asa Fandikan-teny Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines
Fihaonambe iray karakarain’ny oniversite ny Fihaonambe Iraisam-pirenena Momba ny Fitenin-drazana. Mpampianatra, mpanao lalàna, mpikaroka, ary manam-pahaizana avy any amin’ny firenena 12 no mandray anjara amin’izy io. Natao tamin’ny alalan’ny vidéoconférence ilay izy, nanomboka tamin’ny 21 Febroary ka hatramin’ny 20 Martsa 2021. Ny Pr. Ricardo Ma. Nolasco avy ao amin’ny sampam-pianarana momba ny fiteny, ao amin’ny oniversiten’i Philippines Diliman, no tompon’andraikitra voalohany tamin’io fihaonambe io. Nanasa solontena avy ao amin’ny Betelan’i Philippines izy mba handray anjara amin’ilay izy. Nanao famelabelarana momba ny asa fandikan-teny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny Rahalahy Elnathan Lee sy Israel Aves, tamin’ny 9 Martsa 2021. Samy mpandika teny izy mirahalahy. Olona 320 no nanaraka an’ilay fandaharana.
Nilaza ny Pr. Ricardo Ma. Nolasco fa araka ny fanadihadiana natao, dia ny Baiboly no boky be mpamaky indrindra any Philippines ankoatra ny boky fianarana. Nisy fandaharana iray tamin’ilay fihaonambe àry nampitondraina ny foto-kevitra hoe: “Fandikana Baiboly Amin’ireo Fiteny any Philippines.” Io no foto-kevitra novelabelarin’ireo rahalahintsika.
Izao no lohatenin’ny famelabelarana nataon’ny Rahalahy Aves: “Marina Tsara, sa Mora Vakina, sa Izy Roa? Ny Fitenim-paritra sy ny Zava-tsarotra Rehefa Mandika Baiboly.” Nohazavainy hoe ahoana no nataon’ireo mpandika teny mba ho marina tsara nefa koa mora vakina Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Hoy ny Rahalahy Aves tamin’ny mpanatrika: “Ny fampianarana Baiboly no asa tena imasoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no mahatonga an-dry zareo handika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny isan-karazany, eny fa na dia amin’ny fiteny vitsy mpampiasa aza. Azo alaina maimaim-poana ao amin’ny Internet izy io, na any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anareo. Ianareo mihitsy amin’izay no hahita hoe vitan’ny mpandika teny ny namoaka Baiboly marina tsara sy mora vakina.”
Ny Rahalahy Lee indray niresaka momba ny asa fandikan-teny maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no lohatenin’ny famelabelarana nataony: “Fanangonana Olona avy Amin’ny Firenena sy Fiteny Rehetra: Ny Ezaka Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany mba Handikana Teny.” Nohazavainy hoe mpandika teny sy mpiasa an-tsitrapo hafa 6 000 mahery no mandray anjara amin’izany ezaka izany. Notantarainy koa ny fivoaran’ny asa fandikan-teny ataontsika, hatramin’ny nanombohany tamin’ny 1890 tany ho any ka hatramin’izao. Nasongadiny hoe nisy zava-bita niavaka tamin’ny Novambra 2019 satria nahatratra 1 000 ny fiteny namoahana zavatra tao amin’ny jw.org, ilay tranonkala voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra eran-tany.
Izao no namaranan’ny Rahalahy Lee ny famelabelarany: “Asa soa ho an’ny fiaraha-monina no fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny asa ataon’izy ireo, ary ny tanjony dia hoe hamoaka fandikan-teny mora azo sy mahasoa ny mpamaky rehetra eran-tany.”
Faly isika fa afaka nampahafantatra ny olona momba ny asa fandikan-teny ataontsika. Vao mainka miharihary izao ny porofo hoe torina “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny” ny vaovao tsara.—Apokalypsy 14:6.