Hijery ny anatiny

21 JANOARY 2015
PHILIPPINES

Herintaona Taorian’ny Rivo-doza dia Nahazo Trano Vaovao ny Tra-boina

Herintaona Taorian’ny Rivo-doza dia Nahazo Trano Vaovao ny Tra-boina

MANILLE, any Philippines—Taorian’ny rivo-doza Haiyan, dia nanao ezaka be ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanorenana sy hanamboarana trano efa ho 750, tao anatin’ny herintaona latsaka.

Mpiasa an-tsitrapo dimy eo ho eo no mahavita manangana trano iray ao anatin’ny dimy andro.

Hoy i Dean Jacek, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Noeritreretinay hovitaina tamin’ny Septambra 2014 ilay asa. Tamin’ny voalohandohan’ny taona izahay no nanomboka, ary vita tanteraka ilay izy talohan’ny faran’ny volana Aogositra satria be dia be ny mpiasa an-tsitrapo nanampy anay.”

Mpiasa an-tsitrapo teo an-toerana sy avy tany an-tany hafa no namita an’ilay asa.

Nanokana ampahany amin’ny fanomezana omen’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ny Filan-kevi-pitantanan’izy ireo, mba hanampiana ny tra-boina. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Manille, mba handaminana an’ilay asa fanorenana any amin’ireo toerana niharan-doza. Tafiditra amin’izany ny fanamboarana sy fanorenana trano 167 any Tacloban, trano 256 any Ormoc, trano 101 any Cebu, ary trano 218 any Roxas. Vavolombelon’i Jehovah no niasa an-tsitrapo nanao an’izany, ka 522 no avy any Philippines, ary 90 no avy any an-tany hafa.

Atoa Ferdinand Romualdez, solontenam-panjakana any Leyte.

Hoy Atoa Ferdinand Romualdez, solontenam-panjakana any Leyte: “Ny Vavolombelon’i Jehovah no anisan’ny fikambanana tsy miankina tonga voalohany nanamboatra trano tamin’iny rivo-doza iny. ... Tsy hitanay izay holazaina fa te hisaotra sy hankasitraka anareo izahay mianakavy sy ny olona eto an-tanàna.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Philippines: Dean Jacek, tel. +63 2 411 6090