Hijery ny anatiny

1 NOVAMBRA 2016
PHILIPPINES

Manampy Tra-boina any Philippines ny Vavolombelon’i Jehovah Taorian’ny Rivo-doza Nisesisesy

Manampy Tra-boina any Philippines ny Vavolombelon’i Jehovah Taorian’ny Rivo-doza Nisesisesy

Namely ny nosy Luzon, any amin’ny faritra avaratr’i Philippines, ny Rivo-doza Sarika (antsoin’ny mponina hoe Karen) tamin’ny 16 Oktobra 2016, sy ny Rivo-doza Haima (antsoin’ny mponina hoe Lawin), tamin’ny 19 Oktobra 2016. Nanampy ny namany sy ny olon-kafa niharan-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’ny rivo-doza mahery indrindra namely an’i Philippines ny Rivo-doza Haima, taorian’ilay rivo-doza mahery atao hoe Haiyan (antsoin’ny mponina hoe Yolanda) tamin’ny 2013.

Misy Vavolombelon’i Jehovah 200000 any Philippines nefa tsy nisy maty na naratra mafy tamin’izy ireo. Na izany aza dia hita tamin’ny tatitra voalohany voaray hoe 1058, fara fahakeliny, ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah simba, ary 43 ny Efitrano Fanjakana simba, izany hoe ny efitrano fivorian’izy ireo. Vokatry ny rivotra nifofofofo sy ny tondra-drano ary ny tany nihotsaka tamin’ny fandalovan’ny Rivo-doza Haima izany.

Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines. Any Tuguegarao, any Luzon, ilay komity ary manangona zavatra ilaina, ohatra hoe sakafo sy rano madio. Kamiao valo izay no efa nalefa tany amin’ireo toerana niharan-doza. Mikarakara ny fanorenana trano vonjimaika sy ny fanamboarana ny simba amin’ny trano sy Efitrano Fanjakana koa ny biraon’ny sampana.

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe no mandrindra ny fanampiana vonjy rano vaky, ka ny vola fanomezana ho an’ny asa maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no ampiasainy.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-718-560-5000

Philippines: Dean Jacek, 63-2-224-4444