Hijery ny anatiny

12 NOVAMBRA 2018
PHILIPPINES

Mamely An’i Philippines koa ny Rivo-doza Yutu

Mamely An’i Philippines koa ny Rivo-doza Yutu

Namely an’i Philippines ilay rivo-doza mahery Yutu, rehefa avy nandalo tao amin’ny Nosy Mariannes Avaratra tamin’ny 24 Oktobra lasa teo. Niditra an-tanety tao Luzon, nosy lehibe indrindra any Philippines, ilay rivo-doza, tamin’ny talata 30 Oktobra. Niakatra be ny rano sady nisy tany nihotsaka, vokatry ny oram-be nikija. An’arivony ny olona nafindra toerana, ary 11 no maty.

Nanao tatitra ny biraon’ny sampan’i Philippines fa tsy nisy maty na naratra ny mpiara-manompo amintsika. Simba kosa ny tranon’ny mpiara-manompo 73 sy ny Efitrano Fanjakana 6. Ny sampan’i Philippines no mikarakara ny fanampiana vonjy rano vaky.

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Philippines foana isika. Rivo-doza 18 izay no namely azy ireo tamin’ity taona ity. Matoky an’i Jehovah isika satria fantatsika fa hanohana antsika izy.—Salamo 55:22.