Hijery ny anatiny

26 APRILY 2017
PHILIPPINES

Mandrindra ny Asa Fanorenana Taorian’ny Rivo-doza Nock-Ten ny Vavolombelona

Mandrindra ny Asa Fanorenana Taorian’ny Rivo-doza Nock-Ten ny Vavolombelona

MANILLE, any Philippines​—Nanomboka asa goavana hanampiana tra-boina ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines satria te hanamboatra an’izay trano simba na rava noho ny Rivo-doza Nock-Ten (“Nina” no iantsoana azy any).

Jason Dotimas (ankavia) sy Bethel Alvarez (ankavanana). Vavolombelona mpanorina trano izy ireo, ary manorina Efitrano Fanjakana any amin’ny tanànan’i Polangui, any Philippines izy ireo eto. Avy any amin’ny 650 kilaometatra mahery izy ireo no tonga mba hanampy ny tra-boina.

Namely ny faritr’i Bicol ny Rivo-doza mahery Nock-Ten tamin’ny 25 Desambra 2016, ka nandravarava be. Nilaza ny tatitra fa olona 10 no maty ary trano 390 000 mahery no simba noho ilay rivo-doza. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty na naratra be tany amin’ilay faritra. Na izany aza, tranona Vavolombelona 300 mahery sy toeram-pivoriany 24 (antsoina hoe Efitrano Fanjakana) no simba na rava tanteraka. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines, mba hanampiana an’ireo fianakaviana Vavolombelona tra-boina. Tany amin’ny tanànan’i Naga no natsangana ilay komity.

Hoy i Dean Jacek, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines: “Nahavita nanamboatra tranon’ny mpiara-mivavaka aminay 271 sy Efitrano Fanjakana 22 ny mpiasa an-tsitrapo hatreto. Mbola hanohy an’ilay asa foana ry zareo mandra-pahavitan’ny trano 38 sy ireo Efitrano Fanjakana 2 ambiny. Ny hamitana azy tanteraka amin’ny faran’ny volan’ny Aprily 2017 no tanjonay.”

Trano ho an’ny tra-boina. Mety ho vita ao anatin’ny enina andro ny trano iray, rehefa ampiasaina ny teknika fanamboarana an’ilay izy mialoha

Mandrindra ny asa maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Filan-kevi-pitantanana, ary tafiditra amin’izany asa izany ny fanampiana tra-boina. Vola fanomezana an-tsitrapo no ampiasaina amin’izany. Misy 8 tapitrisa mahery ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ka mipetraka any Philippines ny 209 000 mahery amin’izy ireo.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenana: David Semonian, Biraon’ny Filzam-baovao, +1 845 524 3000

Philippines: Dean Jacek, +63 2 224 4444