Hijery ny anatiny

Rahalahy Sanderson miresaka amin’ny mpiasa an-tsitrapo sy mpitsoa-ponenana any Polonina

18 MEY 2022
POLONINA

Fitsidihana Manokana An’ireo Mpiasa An-tsitrapo sy Mpitsoa-ponenana Iokrenianina any Polonina

Fitsidihana Manokana An’ireo Mpiasa An-tsitrapo sy Mpitsoa-ponenana Iokrenianina any Polonina

Rahalahy sy anabavy maro avy any Ukraine no nandositra nankany Polonina. Nanomboka tamin’ny alahady 1 Mey 2022, dia nitsidika azy ireo ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, niaraka tamin’ny rahalahy telo anisan’ny Komitin’ny Sampana. Afaka nihaino ny fitantaran’ireo mpitsoa-ponenana ny Rahalahy Sanderson sy ireo rahalahy niaraka taminy nandritra ny dian’izy ireo, ka nanome toky azy ireo hoe tia sy hanampy azy ireo foana ny Filan-kevi-pitantanana.

Avy eo ankavia miankavanana: Tomasz Wolczko, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Polonina; Mark Sanderson; Vesa Väänänen, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Polonina; ary Tommi Kauko, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Failandy

Miresaka momba ny fanampiana ny mpitsoa-ponenana, eo amin’ny sisin-tany iray hidirana an’i Polonina

Nahavita 2 500 kilaometatra mahery ireo rahalahy ireo tao anatin’ny enina andro mba hitsidihana an’ireo mpitsoa-ponenana tany amin’ny toby samihafa, anisan’izany ny Efitrano Fivoriambe efatra sy Efitrano Fanjakana maromaro. Nihaona tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo teny amin’ny sisin-tany manasaraka an’i Polonina sy Ukraine koa izy ireo.

Hoy ny rahalahy iray avy any Ukraine: “Tena nampahery sy namelombelona anay hoatran’ny rano mangatsiatsiaka iny fitsidihana iny.”

Hoy ny anabavy iray avy any Ukraine: “Tena tsy nampoizina ilay fitsidihana. Tsapanay hoe mikarakara anay i Jehovah.”

Hoy ny anabavy iokrenianina iray hafa: “Tsy nanana na inona na inona izahay tamin’izahay tonga teto Polonina. Manana ny zava-drehetra ilainay anefa izahay izao noho ny fanampian’i Jehovah.”

Saofera sy mpiasa an-tsitrapo eo ivelan’ny Efitrano Fivoriambe ao Stęszew, any Polonina

Nihaona tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo manampy ny mpitsoa-ponenana koa ry Rahalahy Sanderson. Nilaza tamin’izy ireo ny Rahalahy Sanderson fa tena tian’ny Filan-kevi-pitantanana izy ireo. Nampiasa ny Hebreo 6:10 izy ka nanazava fa ‘tsy hanadino an’izay ataon’izy ireo’ i Jehovah. Hoy koa izy: “Izahay koa tsy hanadino an’izay ataonareo.” Nilaza ireo mpiasa an-tsitrapo fa fifaliana ho azy ireo ny manampy ny mpiray finoana aminy.

Mitsidika anabavy be taona avy any Ukraine, eo ivelan’ny Efitrano Fanjakana any Radymno, any Polonina

Hoy ny Rahalahy Vesa Väänänen, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Polonina: “Raisin’i Jehovah an-tanana ny zava-drehetra ary nanatanjaka ny finoanay ny nahita maso an’izany. Izay ilaina mihitsy no omen’i Jehovah satria manome tari-dalana ara-potoana ho antsika ny Filan-kevi-pitantanana, ary mahafoy tena manampy ny hafa koa ireo rahalahy sy anabavy.”

Mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny Efitrano Fivoriambe ao Stęszew, any Polonina. Ao no ikarakarana an’ireo fanampiana halefa

Mifampiahy foana ireo rahalahy sy anabavintsika na dia eo aza ny zava-tsarotra vokatry ny ady, ka sambatra izy ireo satria manome, araka ny efa notenenin’i Jesosy.​—Asan’ny Apostoly 20:35